• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Femmes References
Image
Fahasalamana&Sakafo

Vola maina na tapatapaka : ny fomba fikarakarana azy

23/02/2023 08:08 © Moov.Mg

Manahirana ny vehivavy tokoa ny mikarakara volo maina na tapatapaka. Alohan’ny hidirana amin’ny ririnina dia mila karakaraina tsara ny volo mba hiarovana azy tsy ho vakivaky sy makiana. Ireto ary misy torohevitra natoraly sy tsotra hanatanterahina izany.

Mampiasa « produits » zakan’ny volo

Ny fampiasana « produits » tsy zakan’ny volo no anisan’ny mampamaina sy mahavakivaky azy ireny. Noho izany, ilainao fantarina aloha ny karazam-bolonao alohan’ny ividianana ireny « shampoing », « après-shampoing » sy « masque » ireny. Misy ireo voatokana hoan’ny volo matavy, maina, marefo, malama, ngita, olioly… Ezaho izay mifanaraka ny karazam-bolonao no ampiasaina.

Ajanona na ahena ny fampiasana fitaovana mampiasa hafanana

Mampamaina sy mampavakivaky volo ny fampiasaina matetika loatra ireo fitaovana mampiasa hafanana toy ny « fer à lisser » sy ny « brushing ». Mila ajanona na ahena izany hiarovana ny volo tsy ho simba. Efa maro ankehitriny ny fomba afaka hanamboarana volo tsy mampiasa ireny fitaovana ireny. Anjaranao sisa ny misafidy izay mety aminao.

Omena ny otrikaina sy rano ilainy ny volo

Ny volo ihany koa dia mila otrikaina sy rano toy ny vatana mba hahasalama azy. Manampy betsaka amin’izany ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy be otrikaina. Tsy adinoina ihany koa ny fisotroana rano tsy latsaky ny 1.5 litatra isan’andro. Ankoatra izay, mampiasa ireo akora natoraly mampalandina volo toy ny zavoka, ny tamenk’atody… Avela hilona eo amin’ny volo avy nosasana mandritry ny 15 mn ny iray amin’ireo akora ireo ary avy kobanina. Azo atao ihany koa ny manisy menaka amin’ny volo isaky ny hariva, toy ny menaka oliva, voanio, kinana…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo