May : azo asiana vokatra « gras » na hoe matavy ve ?
Maro ireo hevi-diso mikasika ny fikarakarana ny faritra may eo amin’ny vatana ka anisan’izany ny hoe hosorana vokatra matavy na « gras » eo amin’izany. Sady tsy mampitony ny fanaintainana ny fanovana izany no tsy manafaingana ny fahasitranan’ilay faritra may. Vao maika ary mety hampihombo ilay ratra sy manaela ny fahasitranany.
Ny antony tsy hanosorana vokatra matavy na hoe « gras » eo amin’ny faritra may
Ny vokatra matavy na hoe « gras » toy ny ny dibera, menaka, vaseline na « crème grasse » dia mandrafitra karazana « barrière imperméable » eo amin’ny hoditra ka manakana ny hafanana hivoaka. Ankoatra izay dia manamasaka ny hoditra izy ireny ka mety vao maika hampitombo ny « risques » hampanonitra ilay fery eo amin’ny faritra may.
Noho izany dia fihetsika iray mety hampidi-doza mila fadiana ny fanosorana vokatra matavy eo amin’ny faritra may amin’ny hoditra. Manampy betsaka amin’ny famerana ny fahasarotana sy amin’ny fanasitranana ny hoditra may ny fihetsika voalohany atao hikarakarana ilay fery.
Ireo fihetsika voalohana tokony hatao raha may
Mba hamerana ny fihomboan’ny ratra rehefa may sy mba hanafainganana ny fahasitranan’izany dia ireto manaraka ireto ny fihetsika voalohany tokony atao :
-Hampangatsiahana malaky ilay faritra may. Lemana rano mangatsiaka mandritra ny 20 minitra mba hampijanona ny fahamaizana sy hampihenana ny fanaintainana ;
-Esorina ny akanjo sy ny firavaka manodidina ilay faritra may. Tsy azo atao kosa nefa izany raha toa ka miendaka ny hoditra na hoe miraikitra eo amin’izy ireo ;
-Fadiana ny mamaky ny poa-drano eo amin’ilay hoditra may. Miaro ilay ratra mantsy izy ireny sady manampy amin’ny fanasitranana izany ;
-Mihinana fanafody mampitony fanaintainana raha tena marary be.
Mila manantona mpitsabo kosa raha tratry ny « brûlure grave » sokajy 2 na 3, izany hoe raha lehibe mihoatra ny haben’ny fela-tanana ilay faritra may, raha lalina be, raha eo amin’ny tarehy, eo amin’ny tongotra, eo amin’ny tanana na koa eo amin’ny taovam-pananahana.
Ireo fanamarihana fanampiny mila tadidiana
-Fadiana ny mampiasa « glace » hampangatsihana ny faritra may eo amin’ny hoditra. Mety vao maika hampihitatra ilay ratra izany ;
-Tsy azo hosorana « produits anesthésiants locaux » na hoe fanafody manadonto eo amin’ny faritra may. Mety manaela ny fahasitranan’ilay fery izany ;
-Fadiana ny misotro toaka rehefa avy may. Mety manamaina (déshydrater) ny vatana izany ka mahaela ny fahasitranana.