Fahasalamana : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « aérophagie »
Maro tokoa ny olona voakasiky ny « aérophagie » na hoe be rivotra hoy isika. Marina fa tsy dia misy atahorana aminy fahasalamana izy io fa kosa tsapa manelingelina sy tsy mampahazo aina. Fa inona tokoa ary ny atao hoe « aérophagie » ? Inona no antony mety mahatonga azy ? Ahoana ny atao manoloana izany ? Araho eto ireo tsara fantatra.
Inona no atao hoe « aérophagie » ?
Ny « aérophagie » dia midika, ara-bakiteny, ny « fahatelomana na fihinanana rivotra ». Amin’ny ankapobeny ny olombelona dia mitelina rivotra eo amin’ny roa hatramin’ny efatra litatra isan’andro ary ara-dalàna izany. Raha toa kosa ka mihoatra izany ny fatran’ny rivotra voatelina dia izay no atao hoe « aérophagie ».
Ny fahatelomana rivotra be loatra dia mampiangona rivotra betsaka mahatonga ny vavony sy ny tsinay lasa mizihitra. Marihana fa « trouble fonctionnel digestif » tsy misy atahorana loatra ary tsy mitarika fahasarotana ara-pahasalamana ny « aérophagie » raha tsy hoe nohon’ny toe-javatra manokana. Ny fanelingelenana sy ny tsy fahazoana aterak’izy io no ilaina fikarohana vahaolana hampisinda izany.
Inona avy ireo antony mety mahatonga ny « aérophagie » ?
Maro ireo antony mety mahatonga ny « aérophagie », anisan’izany ny :
Fomba fisakafoanana. Ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana, toy ny fisotroana zava-pisotro misy « gaz », toaka sy kafe, ny fitiavana misakafo anelanelam-potoana, ny fisakafoanana haingana loatra… dia mety mahatonga « aérophagie » ;
-Fitsakoana siligaoma ela sy matetika loatra ;
-Rarintsaina. Maro ireo voka-pikarohana milaza fa misy mety mahatonga « aérophagie » ny rarintsaina sy ny tebiteby. Ireo toe-po ireo ihany koa moa isan’ny mandrisika ny fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana.
Misy ihany koa ireo anton-javatra samihafa mety mampitombo ny « risques » hampanao « aérophagie », toy ny fitondrana vohoka, ny fitohanana (constipation)…
Ahoana ny fisehon’ny « aérophagie » ?
Araka ny voalaza teo ambony dia ny kibo mibontsina sy mafimafy vokatry ny fiangonan’ny rivotra ao anatiny no fambara lehibe hamantarana ny « aérophagie ». Ankoatra izay dia misy ireo fambara hafa miseho miaraka amin’izany, toy ny hoe : mavesatra sy maneno ny kibo, mandefa rivotra sy mandrezatra matetika, mangotika toy ny misy rivotra ao amin’ny tsinay…
Mety manaitaina ihany koa ao amin’ny kibo eo amin’ny olona manao « aérophagie ». Tsy voatery mitovy moa ny hamafy sy ny fahatsapana io fanaintainana io eo amin’ny tsirairay. Eo amin’ny olona sasany mety tsy marary ny kibo fa manelingelina fotsiny ilay rivotra miangona ao.
Fisorohana sy fitsaboana azo atao
Mifototra amin’ny fampiharana fomba fisakafoanana ara-pahasalamana ny fisorohana ny « aérophagie ». Anisan’ny mila atao ary ny :
-Fampihenanana ny fisotroana zava-pisotro misy « gaz », ny kafe ary ny toaka ;
-Fampihenanana ny fihinanana voamaina ;
-Fialana amin’ny fihinanana sakafo anelanelam-potoana na ny « grignotage » ;
-Fisakafoanana sy fitsakoana miadana tsara ;
-Fanaovana fanatanjahantena hanatsarana ny fandevonan-kanina sy hiadiana amin’ny rarintsaina.
Raha manelingelina, manaintaina na maharitra loatra ny rivotra ao amin’ny vavony na ny kibo vokatry ny « aérophagie » dia mila manantona mpitsabo. Ity farany no mahafantatra ny fitsaboana atao mba hampitoniana sy hanasitranana izany.