• Cours de change
  • 5057.28 AR
  • |
  • $4555.71 AR
Copyright Image : © Radio Canada
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fambara hahafantarana fa tokony hitsahatra misotro kafe

08/04/2025 11:09 © Moov.Mg

Zava-pisotro mety mampavitrika sy manome hery hiatrehana ny tontolo andro ny kafe. Mety misy fiantraikany ratsy na koa manimba nefa izy io raha lasa be loatra, indrindra ho an'ireo olona tsy mahazaka kafeina. ‘Ndeha àry ho fantarina ireo fampitandremana alefan’ny vatana hahafantarana fa tokony hatsahatra ny fisotroana kafe.

Matetika marary an-doha

Mampikainkona ny lalandrà ao amin’ny atidoha ny kafeina. Ity farany moa dia singa hita amin’ny tahany ambony ao anatin’ny kafe. Rehefa mihena ny kafeina dia lasa mihitatra indray ireo lalandrà ireo ka lasa miteraka aretin’andoha. Ankoatra izay dia mety mahatonga « déshydratation » na tsy fahampiana rano ny fisotroana kafe be loatra. Antony iray mankarary an-doha ihany koa nefa izany. Raha marary an-doha matetika sy tsy fantatra mazava ny antony àry dia mety manampy hisorohana izany ny fampihenana ny fisotroana kafe.

Makiana sy miofakofaka ny hodi-doha

Maro ireo fiantraikan’ny « déshydratation » ateraky ny kafeina eo amin’ny vatana. Anisan’ireo tranga matetika miseho ny hoe lasa makiana sy miofakofaka ny hodi-doha. Mety tsy mampahazo aina io fahamainan’ny hodi-doha io satria mampangidihidy ny loha ary indraindray misy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny volo. Raha tsikaritra fa lasa makiana ny hodi-doha ary lasa miha manify noho ny mahazatra ny volo dia mety midika izany fa be loatra ny kafe sotroina.

Reraka sy malaindaina tampoka eo afovoan’ny tontolo andro

Raha tokony hanome hery sy hampavitrika ny kafeina dia tsikaritra fa ny mifanohitra amin’izany no mitranga eo amin’ny olona sasany. Izany hoe lasa malemilemy sy malaindaina tampoka afaka ora vitsy taorian’ny nisotroana kafe. Ny anton’izany dia satria mampiakatra be ny « adrénaline » sy ny « glycémie » ao amin’ny vatana ny kafe avy eo midina tampoka izy ireo ka mihena manarak’izany ny hery sy ny fahazotoana. Raha mahatsapa fa mila misotro kafe malaky indray ny atoandro dia midika izany fa efa mitady ho lasa fiankinan-doha ity farany ka tokony ialana.

Marary vavony matetika

Ny kafe dia mampisy « irritation » ao amin’ny vavony ka mandrisika ny famokarana « acide gastrique » ao amin’ity farany. Rehefa be loatra io « acide gastrique » io dia mamparefo ny « paroi » ao amin’ny vavony ary manakorontana ny « flore » ao amin’ny tsinay. Izany dia mahatonga fanaintainana ao amin’ny vavony, mampangotika ny kibo ary miteraka fahatsapana mavesatra ao amin’ny kibo rehefa avy misakafo. Raha mahatsikaritra ireo tranga ireo dia mila ahena na atsahatra ny fisotroana kafe.

Mitebiteby mafy sy mikorontana ny saina

Raha mahatsapa fa lasa toa mitebiteby mafy na koa mikorontana ny saina rehefa avy misotro kafe dia midika izany fa mety efa tsy zakan’ny vatana intsony ilay kafeina. Ity farany tokoa mantsy dia mandrisika ny atidoha ka eo amin’ny olona sasany izany lasa miteraka tebiteby sy fikorontanan-tsaina. Raha izany no mitranga dia tsara ahena na ajanona mihitsy ny fisotroana kafe mba hampitony indray ny atidoha.

Lire la suite

Articles Similaires