Mahakaikitra ny anatin’ny takolaka matetika : ireo mety ho antony
Toe-javatra mety mitranga ny hoe voakaikitra tampoka ny anatin’ny takolaka eo am-pitsakoana sakafo na koa eo am-piresahana. Tena marary ary manorisory tokoa ny tratr’izany. Mety kisendrasendra mandalo fotsiny izy io nefa koa mety ho fambarana olana iray ao amin’ny nify sy ny ati-vava raha toa ka mitranga matetika.
Mahakaikitra ny anatin’ny takolaka, ireo antony tsy nahy
Ny antony voalohany sy matetika mahatonga antsika mahakaikitra ny anatin’ny takolaka dia vokatry ny fihetsika tsy voatandrina rehefa misakafo. Mitsako haingana loatra, misakafo sady miresaka na koa variana ka lasa mikorontana ny fihetsiky ny valanorano (mâchoire) sy ny nify. Raha izany no mitranga dia lasa voaketoka ao ny nofo ao anatin’ny takolaka.
Ny antony tsy nahy hafa mety mahatonga izany ihany koa dia ny fikorontanan’ny firafitry ny nify na ny valanorano. Rehefa tsy mifanintsy tsara ny nify dia mety hahakaikitra ny nofo ao anatin’ny takolaka ny sasany amin’izy ireo rehefa mitsako. Mety mahatonga izany ihany koa ny solonify tsy mipetraka tsara.
Ireo anton-javatra mifandray amin’ny fihetsika sy ny fihetseham-po
Ankoatra ireo antony ara-batana voalaza teo ambony dia mety misy ihany koa ireo anton-javatra mifandray amin’ny fihetsika sy ny fihetseham-po mahatonga antsika hahakaikitra ny anatin’ny takolaka. Matetika moa isika dia tsy mahatsikaritra izany ary indraindray lasa toy ny fahazarana mihintsy ny sasany amin’izy ireo.
-Ny rarintsaina sy ny tebiteby. Toy ny manaikitra hoho dia mety ho lasa fahazarana manoloana ny tebiteby sy ny rarintsaina ny manaikitra ny anatin’ny takolaka. Fomba iray hampitoniana ny saina izy io na dia mety misy vokadratsiny aza ;
-Tsy misy atao (ennui). Indraindray, ny fikaikerana ny anatin’ny takolaka dia lasa fihetsika tsy nahy miova ho lasa fahazarana izay atao rehefa isika tsy misy atao iny na rehefa lasa saina na koa rehefa manao zavatra mankaleo. ;
-« Les comportements répétitifs centrés sur le corps (CRCC) ». Eo amin’ny tranga tena sarotra amin’ny olona manao CRCC dia mety lasa fahazarana mitaiza ny fikaikerana ny anatin’ny takolaka. Sarotra amin’izy ireny ny manohitra io fihetsika tsy tandrina io na koa mety tsy fantany akory hoe manao izany izy.
Ireo mety ho fiantraikan’ny fikaikerana ny anatin’ny takolaka
Amin’ny ankapobeny dia tsy tokony misy atahorana ny hoe mahakaikitra ny anatin’ny takolaka indray mandeha na mahalana be. Mety hisy fiantraikany ratsy kosa nefa izany raha matetika loatra :
-Manaintaina sy manelingelina ka lasa manasarotra ny fisakafoanana ;
-Mandratra na mandrovitra ny nofo ao anatin’ny takolaka ary mitarika « irritations » ao amin’ny ativava ;
-Mampisy « aphtes » manaintaina.
Inona no azo atao hiadiana amin’izany ?
Miankina amin’ny anton’ny fikaikerana ny anatin’ny ativava ny fomba atao hampitsaharana izany. Anisan’ireo afaka atao ny :
-Fitandremana tsara rehefa misakafo. Mifantoka amin’ny sakafo hoanina, mitsako miadana ary tsy miresaka rehefa misakafo ;
-Manantona mpitsabo nify raha mahatsapa fa mikorontana ny filahatry ny nify na koa tsy mipetraka tsara ny solonify ;
-Miezaka mifehy ny rarintsaina sy ny tebiteby ;
-Mitady fomba hanoloana ny fahazarana manaikitra ny anatin’ny takolaka, ohatra amin’ny alalan’ny fitsakoana siligaoma, fihinanana vatomamy (tsy atao be loatra).