• Cours de change
  • 5057.28 AR
  • |
  • $4555.71 AR
Copyright Image : © Vitalissime
Image
Fahasalamana&Sakafo

Endriky ny hoho : mety ahitana tsy fahatomombanana ara-pahasalamana

07/04/2025 10:35 © Moov.Mg

Vitsy amintsika no mahafantatra fa afaha hitarafana ny toe-pahasalamana ny fiovana misy eo amin’ny hoho.

Ny fiovana loko na endriky ny hoho dia mety ho fambarana olana ara-pahasalamana. Mety izany ho tsy fahampiana otrikaina na singa ilain’ny vatana, mety ho aretina, fa mety ihany koa noho ny aton-javatra iray tsy misy ahiana loatra. Andeha ary ho fantarina eto ireo mety ho dikan’ny fiovana misy eo amin’ny hoho sy ireo tokony ampanahy.

Nahoana no mila jerena tsara foana ny hoho ?

Ny hoho dia voarafitra « kératine » izay « protéine » iray tena ilain’ny vatana ary hita ihany koa ao anatin’ny volo sy ny hoditra. Maro ireo anton-javatra mety mampiova loko na mampiova endrika azy io, toy ny :
-Fomba fiaina (fahazarana ara-tsakafo, tsy fahampiana rano, fifampikasohana amin’ny vokatra simika) ;
-Tsy fahampiana otrikaina na mineraly, toy ny fer, zinc na vitamina ;
-Otrikaretina avy amin’ny bakteria na « champigons » ;
-Fikorontanan’ny hormonina ;
-Aretina.
Tsy tokony atao tsirambina arak’izany ny fiovana endrika na loko eo amin’ny hoho satria mety ho fambara tsy fahatomombanana eo amin’ny vatana na eo amin’ny fahasalamana izany.

Inona avy àry ireo fiovana eo amin’ny hoho mila arahi-maso ?

Maro ireo mety fiovana mitranga eo amin’ny hoho ka mila jerena manokana. Anisan’izany ny :

Hoho makiana sy mora tapaka

Izany dia mety ho fambara fahalemen’ny hoho vokatry ny filomanara rano be loatra na koa fampiasana vokatra misy singa simika matetika loatra toy ny savony, vovon-tsavony, vernis, dissolvant… Sady makiana ny hoho no lasa mora tapaka na mora silaka. Raha maharitra io olana eo amin’ny hoho io dia mety ho fambarana « hypothyroïde » izay misy fiantraikany eo amin’ny famokarana « kératine » izany.
Mety afaka mampisinda azy io ny fanamandinana ny hoho amin’ny « huiles nourrissantes » toy ny kinana na argan. Arovana amin’ny « gants » ihany koa ny hoho rehefa manao raharaha ao an-trano mikirakira rano sy vokatra fanadiovana misy singa simika.

Hoho misy tsipitsipika na milempona

Ny fiovan’ny holo lasa milempona dia mety ho vokatry ny fahanterana. Raha toa kosa nefa ka tena mivoitra be na hita be loatra ireo fiovana ireo dia mety ho fambaran’ny aretin’ny hoho atao hoe « psoriasis » izany na fambarana « arthrite inflammatoire ». Raha tsikaritra fa milempona be ny hoho na hoe simba be ity farany dia mila manantona mpitsabo mba hahazoana ny fandraisan-tanana mifanaraka amin’izany.
Raha lasa misy tsipitsipika ny hoho dia mety ho voajanahary izany na koa vokatry ny « trouble endocrinien ». Raha mitsangana ny tsipika dia ara-dalàna ary rehefa miha mandroso taona no miseho izany. Ny tsipika mitsivalana eo amin’ny hoho kosa dia mety ho fambaran’ny fikorontanan’ny hormonina na koa « trouble endocrinien ». Mety manampy manatsara ny fahasalaman’ny hoho ny fihinana sakafo be protéines, fer ary vitamina B.

Hoho mibontsina

Ny hoho mibontsina dia mety ho manaranaka nefa koa mety hanambara tsy fahampiana « oxygène » ao anatin’ny rà. Ity farany dia mety ho vokatry ny « trouble respiratoire », aretin’ny avokavoka na koa aretin’ny fo. Raha lasa mibontsina na mivoitra tsy ara-dalàna ny hoho dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo.

Hoho lasa mavo

Maro ireo antony mety mahatonga ny hoho lasa miloko mavo. Anisan’izany ny fanaovana vernis matroka matetika loatra na koa ny fifohana sigara izay mamela « nicotine » eo amin’ny hoho. Ankoatra izay dia mety ho fambarana « infection fongique », « trouble thyroïdien », aretin’ny avokavoka mitaiza… izany. Raha toa ka mbola mijanona mavo foana ny hoho raha efa tsy mifoka sigara intsony na koa tsy manao vernis intsony dia mila manantona mpitsabo.

Hoho fotsy na hatsatra

Ny hoho lasa hatsatra be dia mety ho fambaran’ny « anémie » na hoe tsy fahampiana rà vokatry ny tsy fahampiana fer ao amin’ny vatana. Raha toa kosa ka lasa fotsy tanteraka ny hoho dia mety hanambara aretin’ny rà, diabeta na koa aretin’ny voa izany. Raha tsy fantatra ary ny antony maha fotsy tanteraka ny hoho dia mila manao fitiliana rà mba hijerena ny antony mazava mety mahatonga izany.

Lire la suite

Articles Similaires