Fomba tsotra fanaovana « ganache montée au chocolat blanc »
Isan’ny "recette" fototra mila voafehy amin’ny fanaovana « pâtisserie » ny « ganache ». Maro ireo ampiasaina ity fangaro ity amin’ny « pâtisserie », toy ny « glaçage », « garniture », « sauce » na koa hanaingoana ny mofomamy. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana « ganache montée au chocolat blanc ».
Ireo akora ilaina raha hanao « ganache montée au chocolat blanc »
-Chocolat blanc 400g ;
-Crème liquide mangatsiaka 200g ;
-Crème liquide mafana 200g ;
-Lavanila tangozany 1 na hanitra lavanila.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
-Zaraina roa ny tangozana lavanila ary esorina ny nofony ao anatiny. Arotsaka anaty vilany ny crème liquide mafana sy ny nofon’ny lavanila nalaina teo. Avela hangotraka eo ambony afo malefaka.
-Rehefa mangotraka ny crème liquide dia esorina teo ambony afo. Alefa ao avy hatrany ny chocolat blanc. Afangaro tsara mba hahazo fangaro malama.
-Alefa ao anatin’io fangaro io indray ny crème liquide mangatsiaka, izany hoe nampangatsiahana kely tao anaty vata fampangatsiahana.Aroharoana tsara hifangaro.
-Afindra anaty saladier io fangaro io avy eo saromana tsara amin’ny papier film. Atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 6 ora farafahakeliny.
-Rehefa tapitra io fotoana io dia tokony mahazo fangaro « crémeux ». Alefa ao anatin’ny « cuve batteuse » ity farany ary kapohana ao mba hiakatra sy ho maivana tsara.
-Rehefa mahazo fangaro maivana sy malefaka tsara toy ny « crème chantilly » dia vita ny « ganache ». Afaka ampiasaina avy hatrany moa izy io.
*Fanamarihana
Marihana fa afaka hampiasaina amin’ny fanaovana « ganache montée au chocolat noir » na « au chocolat au lait » ihany koa ity fikarakarana nozaraina teo ity.