« Hyperglycémie » : tsy azo atao tsirambina
Reraka be, mangetaheta mafy sy ny mipipy matetika dia mety ho fambaran’ny fiakaran’ny « glycémie » na ny tahan’ny siramamy anaty rà. Mila fandraisana an-tanana aloha io tranga io mba hisorohana ireo mety ho fahasarotana aterak’izany. Ireto manaraka ireto ary ireo fambaran’ny « hyperglycémie » tokony hampanahy.
Inona no atao hoe « hyperglycémie » ?
Ny « hyperglycémie » dia ny fiakarana, tsy ara-dalàna, ny « glycémie » na ny tahan’ny siramamy anaty rà. Mety ho mandalo ihany ny « hyperglycémie », ohatra rehefa avy mihinana sakafo matsiro loatra na be siramamy. Mety hiverimberina na ho lasa mitaiza ihany koa nefa izy io, toy ny mitranga eo amin’ny olona diabetika.
Raha lasa mitaiza ny « hyperglycémie » dia mety hanimba ny lalandrà ary mety hitarika fahasarotan’ny diabeta, toy ny fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalandrà any amin’ny loha, fahajambana, aretin’ny voa…
Inona avy ireo fambaran’ny « hyperglycémie » tokony hampanahy
Matetika dia tsy misy fambara ny fiantombohan’ny « hyperglycémie ». Noho izany dia mila mijery azy io matetika, indrindra raha misy diabeta. Misy ihany nefa ireo fambara tokony hampanahy, toy ny hoe :
-Mangetaheta lava na dia efa misotro rano aza ;
-Reraka be foana nefa tsy misy antony manokana ;
-Mahatsiaro maina ny lela ;
-Sahirana mifantoka ;
-Mipipy be sy matetika.
Rehefa mitohy mandritra ny fotoana maharitra ny « hyperglycémie » dia mety misy soritr’aretina hafa miseho toy ny hoe : manjavozavona ny fahitana, noana lava, mihena ny vatana nefa tsy hay izay antony, sarotim-pery…
Inona no atao manoloana ireo fambaran’ny « hyperglycémie » ?
Raha mahatsikaritra ny iray na ny maro amin’ireo fambaran’ny « hyperglycémie » mampanahy voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo avy hatrany. Ny mpitsabo no manao ny fizahana ilaina hamaritana raha mandalo ihany na efa mitaiza ny « hyperglycémie ». Miankina amin’ny anton’ity fiakaran’ny tahan’ny siramamy anaty rà ity no hamaritany ny fitsaboana na ny fandraisan-tanana atao.