Aretin’ny fo sy lalandrà : ireo famantarana tokony hahamailo
Ny aretin’ny fo sy ny lalandrà no mahafaty olona betsaka indrindra maneran-tany. Ilaina arak’izany ny mamantatra ireo famantarana tokony hahamailo mba ahafahana mandray fepetra sy manantona dokotera. Araho eto ary ireo famantarana mila arahi-maso.
Manaintaina na tsy mahazo aina ao amin’ny tratra
Izy ireo no fambara voalohan’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà. Miseho amin’ny fahatsapana toy ny misy manery, manindry, mavaivay na marary ao anatin’ny tratra. Mety mamaly any amin’ny sandry havia, ny lamosina, ny valanorano (mâchoire) na ny hatoka izany fahatsapana izany. Mety mitranga izy io rehefa maka aina na rehefa mampiasa vatana.
-Sempotra na tsy avy miaina
Ny fahatsapana sempotra tsy mahazatra, indrindra mandritra ny fampiasana vatana na fanaovana fanatanjahantena, dia mety mety ho famparan’ny « insuffisance cardiaque ». Mety mitranga ihany koa io sempotra na tsy avy miaina io rehefa maka aina mitsotsotra na rehefa amin’ny alina.
-Mitempo haingana sy mafy ny fo (palpitations)
Ny fitempon’ny fo tsy ara-dalàna, haingana be na miadana loatra dia mety manambara tsy fahatombombanan’ny fitempon’ny fo.
-Havizanana
Ny fahatsapana vizaka be sy tsy mahazatra dia mety ho fambaran’ny « insuffisance cardiaque » na olana hafa mahakasika ny fo.
-Safotra na fanimpanina
Ireo soritr’aretina ireo dia mety ho vokatry ny fihenan’ny rà tonga any amin’ny atidoha. Izany dia mety avy amin’ny olana ao amin’ny fo na ao amin’ny lalandrà.
-Fivontosana
Ny fivontosan’ny ranjo, ny kitrokely na ny tongotra dia mety manambara « insuffisance cardiaque ».
-Ireo famantarana hafa
Misy ihany koa ireo famantarana hafa tokony hahamailo toy ny hoe : mandoa, maloiloy, hatsembohana mangatsiaka, tebiteby.
Eo amin’ny vehivavy dia mety hiseho amin’ny fomba hafa ireo famantarana ny aretin’ny fo sy ny lalandrà : marary ny lamosina, ny valanorano na ny hatoka. Mety ho mora sempotra sy rera-dava ihany koa.
Ahoana ny atao manoloana ireo famantarana fanairana ireo ?
Raha mahatsapa ny iray na ny maro amin’ireo famantarana fanairana ny aretin’ny fo sy ny lalandrà ireo, indrindra raha mafy sy maharitra izy ireo, dia mila manantona mpitsabo avy hatrany. Fadiana ny manao tsirambina ny fanaintainana ao amin’ny tratra na dia tsy marary be aza. Ilaina ny fandraisan-tanana mialoha ny aretin’ny fo sy ny lalandrà mba hamerana fahasimban’ny fo.