• Cours de change
  • 5050.27 AR
  • |
  • $4544.4 AR
Copyright Image : © Istock
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « bonbon coco »

28/03/2025 14:20 © Moov.Mg

Anisan’ireo sakafo ankafizintsika rehefa mandeha miala sasatra any amin’ny morontsiraka ny « bonbon coco ». Matsiro tokoa izy ireny ka samy mankafy izany avokoa na ny ankizy na ny lehibe. Ho an’ireo maniry ny hihinana sy hanamboatra « bonbon coco » vita ao an-trano dia atoro eto ny fomba tsotra fanaovana azy ireny.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « bonbon coco »

-Voanio 1 ;
-Siramamy 300g ;
-Rano kely.

Mikasika ny fikarakarana

-Ahafahana mahazo « bonbons coco » 15 eo ho eo.
-Faharetan’ny fikarakarana : 20 minitra
-Fotoana handomana azy : 24 ora

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Vakiana ny voanio ary kikisana ny nofony. Tsihifina ilay nofony voakiky mba hitsihika ny ranony. Afaka mampiasa « extracteur de jus » raha manana. Ilay nofony voakiky iny ihany moa no ampiasaina amin’ny fanaovana « bonbon coco ».
Manamboatra « caramel ». Atao anaty vilany ny siramy sy rano kely. Ataingina eo ambony afo malefaka ary avela hitsonika.
Rehefa mahazo loko ilay « caramel » dia arotsa ao ny nofon’ny voanio voakiky teo. Aroharoana matetika ary rehefa lasa maina tsara ny fangaro dia bataina teo ambony afo.
Amboarina atao mahazo endrika amin’izay ny « bonbon coco ». Maka fatra kely ary apetraka eo ambony « plaque en verre » na eo ambony « papier sulfurisé ». Somary fisahana kely fotsiny. Tsy tsindriana mafy loatra manjary lasa sarotra esorina teo.
Avela ho maina ho azy eo amin’ny toerana madio sy tsy atahorana hisy bibikely, toy ny vitsika, mandritra ny 24 ora. Rehefa maina tsara dia vonona ny « bonbons coco ».

Lire la suite

Articles Similaires