Fromazy : mitondra vokatsoa maro ho an’ny vatana sy ny fahasalamana
Marihana anio 27 martsa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fromazy ny amin’ity taona 2025 ity. Isan’ireo sakafo malaza sy be mpankafy maneran-tany izy ireny na dia misy ihany koa azy ireo tsy tia azy. Amin’ny maha vokatra avy amin’ny ronono ny fromazy dia maro ireo otrikaina hita ao aminy. Fa inona tokoa ary ireo antony tsara hinanana fromazy ?
Fromazy : mitahiry otrikaina sy singa maro ilain’ny vatana
Toy ny vokatra azo avy amin’ny ronono rehetra dia mitahiry otrikaina sy singa maro ilain’ny vatana ny fromazy. Isany tsara hinanana azy ary ireny ary noho izy :
-Be kalsioma izay miantoka ny fahasalaman’ny taolana sy ny nify ;
-Manankarena « protéine » izay ilaina ny vatana amin’ny fandrafetana sy ny fanamboarana ireo « tissus » ao aminy ;
-Mitahiry vitamina (A, B2, B12) sy mineraly (Phosphore, Zinc) izay mitana anjara lehibe eo amin’ny fiasan’ny vatana ;
-Mitondra « bon cholestérol ». Izany hoe manampy amin’ny fandanjalanjana ny tahan’ny « cholestérol » ao amin’ny vatana.
Ireo mety ho lafy ratsin’ny fihinanana fromazy
Na dia eo aza ireo vokatsoa maro azo avy amin’ny fihinanana fromazy dia misy ihany koa ireo mety ho lafy ratsin’izany :
-Ahitana « matière grasse saturés » amin’ny tahany ambony. Misy karazana fromazy sasany, indrindra ireo mafy (pâte dure), dia be « graisses saturées » ka mety hampitombo ny « risque » ahavoan’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà ;
-Be « sodium » na sira. Ny fihinanana azy be loatra dia mety mampiakatra ny tosidrà ;
-Misy karazan’olona tsy mahazaka « lactose » izay karazana siramamy hita ao anatin’ny ronono. Raha mihinana fromazy izy ireny dia mety harary kibo ;
-Be « apport calorique ». Ny fromazy dia sakafo matavy. Ny fihinanana azy be loatra arak’izany dia mety hampatavy.
Ireo torohevitra hisitrahana ny vokatsoa avy amin’ny fromazy
Mba hisitrahana ireo vokatsoa azo avy amin’ny fromazy dia mila lanjalanjaina tsara ny fihinanana azy ireny :
-Ovaovaina ny karazana fromazy hoanina ary ireo fromazy malemy sy vaovao no tena tsara hoanina noho izy tsy dia be « matières grasses » ;
-Hoanina amin’ny antonony fa tsy atao be loatra ;
-Ampiarahana amin’ny sakafo mahasalama toy ny legioma, voankazo na « pain complet » ny fromazy ;
-Henoina tsara ny vatana. Raha mahatsikaritra fa tsy mahazaka « lactose » dia mila manantona mpitsabo.