Mihetsika goty : ireo akora natoraly manampy hampitoniana izany
Marary ary tena mampijaly tokoa ny goty rehefa mihetsika na hoe manao « crise ». Soa ihany fa misy ireo torohevitra natoraly afaka manampy hampitoniana ny fanaintainana sy hanohanana ny fitsaboana ara-medikaly atao aminy.
Inona no atao hoe goty ?
Ny goty dia karazana « arthrite inflammatoire » vokatry ny fisian’ny « acide urique » be loatra ao anaty rà. Io « acide urique » io dia lasa mivaingana toy ny « cristaux » kely maranitra be dia be ary mipetraka ao amin’ny vanintaolana ka mahatonga « inflammation » manaintaina. Matetika dia ny ankihibe tongotra no hisehoan’ny « crises de goutte » fa mety mahavoa ireo vanintaolana hafa, toy ny lohalika, kitrokely, hatotanana…, ihany koa nefa.
Ireo fomba natoraly hampitoniana ny fanaintainana rehefa mihetsika goty
Rehefa mihetsika goty dia misy ireo fomba natoraly azo atao hampitoniana ny fanaintainana sy manampy amin’ny fitsoana amin’ny fanafody efa atao amin’izany. Anisan’ireo fikafika azo atao ary ny :
-Mampiasa hatsiaka. Izany hoe petahana « poche de glace » nofonosina tao anaty lamba manify mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra eo amin’ilay vanintaolana manaintaina. Atao matetika isan’andro izany mba hampihena ny « inflammation » sy mba ho donto ilay fanaintainana.
-Maka aina. Avela maka aina ilay vanintaolana marary mba hanafainganana ny fahasitranany. Tsy mandehandeha tongotra ary tsy atao miasa be ilay vanintaolana mandritra ilay « crise ».
-Misotro rano tsara, tsy latsaky ny 2 litatra isan’andro, mba handevonana ilay « acide urique » mivaingana sy hamoahana azy avy any amin’ny voa.
-Karibonetra. Afangaro ny karibonetra tapaky ny sotrokely sy ny rano 1 vera. Sotroina indray mandeha isan’andro mba handevonanana ny « acide urique ».
-Afangaro ny vinaigre de cidre 2 sotro fihinanana sy ny rano 1 vera. Sotroina indroa na intelo isan’andro mba hampihenana ilay « inflammation ».
Ireo zavamaniry manampy hampitoniana ny goty
Misy ihany koa ireo zavamaniry manampy hampitoniana sy hampisindana ny goty. Anisan’izany ny :
-Sakamalaho izay manana fomba fiasa « anti-inflammatoires » sy « analgésiques ». Afaka hoanina manta, vovony, tanehana na koa atao amin’ny sakafo ;
-Tamotamo no izy mitahiry « curcumine » izay « anti-inflammatoire » mahery. Azo hoanina amin’ny endriny vovony, tanehana na koa atao amin’ny sakafo.
Fanamarihana
Marihana fa tsy mahasolo ny fitsaboana ara-medikaly velively ireo torohevitra natoraly natoro teo. Tsy maintsy manantona mpitsabo mba ahazo ny fitsaboana sy fandraisan-tanana sahaza raha mihetsika goty. Ireo fikafika natoraly ireo dia atao fanampin’ny fitsaboana mba hanamaivanana ny fanaintainana rehefa mihetsika goty.