Fomba fanamboarana « pain au chocolat » matsiro
Anisan’ireo « viennoiseries » ankafizin’ny maro, na ny ankizy na ny lehibe ny « pain au chocolat ». Azo ato tsara ny manamboatra azy ireny ao an-trano na dia somary mandany fotoana kely ary ny fanaovana azy. Ho an’ireo te hanao « pain au chocolat » matsiro ary dia araho eto ny fikarakarana izany !
Ireo zavatra ilaina raha hanao « pain au chocolat »
-Lafarina 500g ;
-Dibera malemy (tsy mitsonika) 220g ;
-Chocolat araka izay fatra itiavana azy ;
-Siramamy 40g ;
-Atody 1 ;
-Ronono matimaty 28sl ;
-Levure boulangère 10g ;
-Sira 2 sotrokely.
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Amboarina ny « pâte feuilletée levée ». Arotsaka ao anatin’ny « robot » ny lafarina, siramamy, sira, levure ary ny ronono. Kapohana miaraka ao moramora amin’ny « crochet ». Rehefa manomboka mahazo boule dia ajanona. Alaina ilay « pâte » avy eo tohizana kapohana amin’ny tanana mandrapahazoana boule tsara. Fonosina amin’ny papier film ity farany ary avela hijanona anaty vata fampangatsiahana mandritra ny alina na mandritra ny adiny roa raha maika.
Rehefa avy nalona ilay « pâte » dia apetraka eo ambony latabatra norarahana lafarina kely. Velarina eo amin’ny alalan’ny rouleau à pâtisserie ». Rehefa mivelatra tsara dia apetraka eo amboniny ny dibera malemy. Avalona efatra ilay « pâte » ary tandremana ijanona tsara ao afovoany ilay dibera. Tokony mahazo mahintsizoro (rectangle) ilay « pâte » navalona.
Fisahana manaraka ny halavany mba hiditra ao anatiny ilay dibera. Avy eo averina avalona indray. Fonosina papier film ary ampidirina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 15 minitra fara fahakeliny. Fisahana indray mandeha manaraka ny halavany indray eo ambony latabatra nasiana lafarina. Avy eo avalona telo. Fonosina ary atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 20 minitra. Averina fisahana manaraka ny halavany indray avy eo avalona telo, fonosina dia atao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora 1.
Rehefa vita izay dia velarina eo ambony latabatra nasiana lafarina ary atao manana hatevina 3 na 4 mm ny pâte. Tetehana lavalava maromaro tokony eo amin’ny 8 sm eo ny sakany tsirairay. Apetraka eo amin’ny « extrémité » tsirairay ny pâte ny « chocolat » lavalava 2 ary ahorona miodina ilay pâte. Atao toy izay avokoa ireo ambina pâtes.
Alahatra eo ambony « plaque de cuisson » ireo « pains au chocolat ». Fonosina papier film ary apetraka amin’ny toerana mafanafana ao an-trano mba hibontsina. Mandritra io fotoana io dia hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro. Rehefa nitombo avo roa heny ireo « pains au chocolat » dia osorana tamenak’atody efa nokapohana mba hahazo loko rehefa masaka. Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra. Aroso mafana.