Manome rà : ireo fepetra ahafahana manao izany
Fihetsika iray maneho firaisankina amin'ny famonjena aina ny fanomezan-drà. Misy kosa nefa ireo fepetra hentitra mila hajaina mba hiantohana ny fiarovana ny mpanome rà sy ny mpandray izany. Ireto manaraka ireto ary ireo fepetra tokony hohajaina rehefa manome rà.
Ireo fepetra ankapobeny ahafana manome rà
Mba ahafahana manome rà dia misy ireo fepetra ankapobenytokony hajaina :
-Olona eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 70 taona. Mila fizahana sy fanomezan-dalana avy any amin’ny mpitsabo kosa raha efa feno 60 taona vao hanome rà voalohany ;
-Milanja 50 kg fara-fahakeliny ;
-Mahatsiaro tena salama sy tsy manavy ;
-Tsy nandalo fandidiana tao anatin'ny herintaona
Mila mielanelana 8 herinandro fara-fahakeliny ny fotoana fanomezana rà.
Ireo « contre-indications temporaires »
Tsy afaka manome rà ao anatin’ny fotoana voafetra na « temporaires » ny olona iray :
-Raha tsy afaka 2 herinandro aorian’ny narariana na nanaviana ;
-Raha tsy afaka 24 ora aorian’ny namboarana nify na nanaovana « détartrage ». Mila miandry herinandro kosa raha nanala nify ;
-Raha tsy afaka 6 volana aorian’ny fiterahana. Tsy tokony hanome rà ny reny mampinono.
Mety mila miandry herinandro maromaro ihany koa vao afaka manome rà raha nihinana na nitsindrona fanafody sasany toy ny « antibiotiques »… Toy izay ihany koa raha avy natao vaksiny.
Ireo « contre-indications » mitoetra
Tsy afaka manome rà mihintsy ny olona iray :
-Misy areti-mitaiza ;
-Natao « transfusion sanguine » na hoe efa nampidirana rà ;
-Atahorana hamindra otrikaretina, ohatra raha avy nanao firaisana ara-nofo tsy voaaro, nitsindrona zava-mahadomelina…
Ny fizotrin’ny fanomezana rà
Miankina amin’ny firenena tsirairay ny fizotry ny fanomezana rà. Amin’ny ankapobeny dia toy izao ireo dingana atao :
-Misoratra anarana ary manao dinidinika miaraka amin’ny mpitsabo mba ahafantarana fa afaka manome rà sa tsia ;
-Alaina rà. Mety maharitra eo amin’ny 10 minitra eo ho eo izany ;
-Maka aina sy misakafo rehefa vita ny fanomezana rà.