« Agueusie » na tsy fahenoana tsiro : ireo tsara fantatra
Mbola vitsy amintsika no mahafantatra fa tranga mety misy ny hoe tsy maheno tsiro intsony ny vava na ilay atao hoe « agueusie ». Matetika dia miaraka amin’ny tsy fahenoana fofona na « anosmie » izy io. Maro ireo antony mety mahatonga azy io.
Inona no atao hoe « agueusie » na ny tsy fahenoana tsiro ?
Tsy fahatomombanana eo amin’ny taova fahenoana tsiro ny « agueusie ». Mety izy io ho fihenan’ny fahenoana tsiro na mety ho fahaverezany mihintsy. Vokatry ny fahasimbana « recépeteurs sensoriels » samihafa ao amin’ny vava, toy ny « papilles gustatives », izy io. Mizara roa lehibe moa ny « agueusie » na ny tsy fahenoana tsiro :
-« Agueusie totale », izany hoe tena tsy maheno tsiro mihintsy na mamy, masira, mangidy, marikivy na matsiro ;
-« Agueusie partielle » antsoina ihany koa hoe « hypoagueusie », izany hoe ny tsiro sasany ihany no tsy heno fa tsy izy rehetra.
Ireo anton-javatra mety mahatonga ny tsy fahenoana tsiro
Araka ny voalaza teo ambony dia matetika miseho miaraka amin’ny tsy fahenoana fofona ny tsy fahenoana tsiro. Na miaraka miseho izy ireo na miseho irery ny « agueusie » dia ireto manaraka ireto ny isan’ireo antony mety mahatonga azy io :
-« Lésion nerveuse », indrindra eo anivon’ny « nerf glosso-pharyngien » ;
-« Paralysie faciale » ;
-« Traumatisme » ;
-Aretin’ny taovam-pisefoana toy ny sery na « pneumonie » ;
-Tafiaina singa simika ;
-Fahanterana izay mety mahatonga tsy fahatomomban’ny « récepteurs sensoriels » ;
-Fifohana sigara ;
-Homamiadana na fitsaboana homamiadana toy ny « chimiothérapie » sy « radiothérapie » ;
-Fihinanana fanafody sasany.
Ireo mety ho fiantraikan’ny tsy fahenoana tsiro
Marina fa tsy misy fiantraikany mivantana eo amin’ny fahasalamana ny « agueusie », nefa kosa mety hisy vokadratsiny ihany rehefa maharitra loatra izy io. Anisan’ireo mety ho fiantraikany ary ny :
-Fikorontanan’ny fisakafoanana na « troubles alimentaires », toy ny « anorexie » sy ny « boulimie » vokatry ny tsy fahazoana fahafinaretana intsony rehefa misakafo ;
-Tsy fahazoana aina miseho amin’ny fahakiviana, tsy misy fahavitrihana, fitokatokanana, fahaketrahana…
Ankoatra izay dia mety hampidi-doza ny tsy fahenoana tsiro sy fofona satria lasa mihena ny famantarana ireo « signaux d’alerte » toy ny tsiro mangidy na marikivy amin’ny sakafo simba na voapoizina, ny fofona setroka na « gaz »…
Ny fitsaboana ny « agueusie »
Miankina amin’ny antony mety nahatonga azy ny fitsaboana ny « agueusie ». Raha toa ka avy amin’ny aretina mahazo ny taovam-pisefoana, ohatra, no nitarika azy dia omen’ny mpitsabo fanafody hitsaboana izany.
Misy ihany koa ireo « rééducation » sy « travail d’apprentissage » ampanaovin’ny mpitsabo mba hamerana ireo mety ho fihitaran’ilay « agueusie ». Mora averina sy tsaboina kokoa ity fahaverezan’ny fahenoana tsiro ity rehefa voaray an-tanana aloha.