• Cours de change
  • 5050.27 AR
  • |
  • $4544.4 AR
Copyright Image : © Lamise O Recette Creole
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « Mandazi au coco »

20/03/2025 15:18 © Moov.Mg

Ny fomba fanamboarana mofo iray avy any Afrika Atsinanana indray no entina amintsika eto dia ny « Mandazi » izany. Ity farany moa dia mofo misy « lait de coco » izay sady matsiro no mahavoky tsara. Mety atao sakafo maraina na koa atao « goûter »-n'ny ankizy na amidy atao fitadiavam-bola ihany koa izy ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « Mandazi au coco »

-Lafarina 500g ;
-Lait de coco tapaky ny vera ;
-Levure boulangère 1 sotrokely ;
-Siramamy 2 sotro ;
-Ronono mandry mamy 7 sotro fihinanana ;
-Karibonetra 2 tsongo kely ;
-Menaka 3 sotro fihinanana ;
-Rano matimaty fahefan’ny vera.

Ireo dingana amin’ny fanamboarana azy

Afangaro anaty lovia jobo ny rano matimaty 3 sotro fihinanana sy ny siramamy 1 sotrokely. Arotsaka ao manarak’izay ny levure boulangère ary avela hisavovona. Tsy voatery mandroatra be fa rehefa misy bulles dia efa mety.
Atao anaty saladier ny lafarina dia afangaro ao ny ambin’ny siramamy ary ny karibonetra. Arotsaka manarak’izay ny lait de coco sy ilay levure tao anaty kaopy teo. Afangaro tsara.
-Alefa ao amin’ny fangaro io tsikelikely ny rano matimaty mandrapahazoana paty madity. Izany hoe manakaikikaiky ny paty fanaovana mofo baolina fa tsy maimaina toy ny patin’ny pizza.
-Kosehina mandritra ny 7 minitra eo ho eo. Rehefa vita izay dia atao anaty fitoerana iray ary saromana tsara. Avela hilona mandritra ny adiny 1 ora ary mba hitombo tsara.
-Rehefa mitombo ilay paty dia atao eo ambony latabatra nasiana lafarina. Fisahana amin’ny rouleau avy eo zaraina 4 mitovy. Bolaina tsirairay ho lasa boribory.
-Raisina ny boribory iray dia fisahana ho lasa boribory fisaka. Tsy atao fisaka loatra. Zaraina amin’ny sakany sy amin’ny halavany ilay boribory. Manome endrika telozoro anaky 4. Atao toy izay ireo boules 3 manaraka.
-Avela hipetraka mandritra ny 15 minitra eo ireo « morceaux » voatetika.
-Endasina amin’ny afo malefaka anaty vilany saba na lapoaly jobo misy menaka mahafeno ny antsasaky ny halaliny. Rehefa manomboka miloko dia avadika.

Lire la suite

Articles Similaires