• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Générations Magazine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sakafo voalanjalanja : ahoana no hampiharana izany amin’ny andavanandro ?

20/03/2025 11:22 © Moov.Mg

Resahana ombienyombieny ny maha-zava-dehibe ny fihinanana sakafo voalanjalanja ho fitandrovana ny fahasalamana. Mbola maro amintsika nefa no tsy mahafantatra ny fomba atao hampiharana izany amin’ny andavanandro. Araho eto ary ny torohevitra tsara fantatra raha te hanaja fomba fisakafoanana voalanjalanja sy ara-pahasalamana.

Atao karazana maro ny sakafo hoanina

Anisan’ny fomba voalohany hampiharana ny fisakafoanana voalanjalanja ny « diversification » ny sakafo hoanina. Izany hoe rehefa misakafo dia ezahana atao ho karazany maro ny sakafo mandrafitra ny « repas ». Tsara raha misy legioma sy voankazo maro karazana, « protéines maigre » toy ny trondro na voamaina, vokatra azo avy amin’ny ronono ary « matières grasses saines » toy ny menaka zavamaniry, zavoka… Sady mitondra ireo karazana otrikaina maro ilain’ny vatana izany no ahafahana manandrana nahandro samihafa.

Tandremana tsara ny fatra

Antoka iray hampiharana ny sakafo voalanjalanja ihany koa ny fahaizana mitandrina tsara ny fatra. Na dia tiana be aza ny sakafo eo am-bilia dia ferana atao antonony hatrany ny fatra hoanina. Mba hifehezana izany dia manampy betsaka ny fisakafoanana miadana sy ny fitsakoana tsara mba ahatsapana voky. Azo atao ihany koa ny mampiasa lovia kelikely sy tsy manampy fatra rehefa misakafo.

Ferana na fadiana ireo sakafo voahodina

Ny sakafo nokarakaraina sy nandrahoina tao an-trano no tena azo antoka kokoa hoe voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Afaka safidiana sy tandremana mantsy ireo akora sy ireo fatra ampiasaina amin’izy ireny. Ferena na fadiana arak’izay azo atao ny fihinanana sakafo voahodina noho izy ireny matetika be siramamy, sira ary « graisses saturés » nefa tsy dia mitondra otrikaina.

Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro

Mitana anjara asa lehibe eo amin’ny fiasan’ny vatana sy eo amin’ny fitandrovana ny fahasalamana amin’ny ankopeny ny rano. Mazava ho azy fa tafiditra anatin’ireo zavatra mila hajaina raha te hanaraka fomba fisakafoanana voalanjalanja ny fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro. Ferana tanteraka kosa nefa ny fisotroana zava-pisotro mamy noho izy ireny be « calories » nefa tsy mitahiry otrikaina firy.

Asiana fandaharam-potoana ny sakafo

Tsy mora ny manaraka sy mampihatra sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana amin’ny andavanandro. Mila fifehezan-tena, fazotoana sy fahaizana mandamina ny fanatanterahana izany. Manampy betsaka amin’izany ny fametrahana fandaharam-potoana amin’ny sakafo atao mandritra ny herinandro ohatra. Fantarina dieny mialoha ny laoka na ny sakafo ho karakaraina. Rehefa vita izay dia atao lisitra ireo akora ilaina ary ireo no vidiana rehefa miantsena. Tsy mividy zavatra tsy ao anatin’ny lisitra mba tsy hivoana amin’ny sakafo voalanjalanja. Tsy adinoina ny mividy « goûter » ara-pahasalamana toy ny voankazo, yaourt…

Lire la suite

Articles Similaires