• Cours de change
  • 5088.44 AR
  • |
  • $4431.47 AR
Copyright Image : © Cuisineaz
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « coquillettes, viande hachée et fromage au four »

19/03/2025 16:41 © Moov.Mg

Anisan’ireo nahandro ankafizin’ny ankizy ny paty sy toton-kena ary fromazy. Nahandro iray matsiro, mora karakaraina ary tsy be masonkarena azo karakaraina ny « coquillettes, viande hachée et fromage ». Araho eto ary ny fomba fanaovana azy

Ireo akora ilaina

-« Coquilletttes » 250g ;
-Toton-kena 500g ;
-Fromazy voakiky 50g ;
-Voatabia amin’ny boaty 2 ;
-Tongolo 2 ;
-Tongolo gasy hasiny 2 ;
-Menaka ;
-Rano ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Kotomila.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 180°C.
Voasana ny tongolo sy ny tongolo gasy ary tetehana manify.
Hafanaina anaty vilany kely ny menaka. Endasina ao mandritra ny 5 minitra ny toton-kena miaraka amin’ny tongolo sy ny tongolo gasy. Arotsaka ao manarak’izay ny voatabia amin’ny boaty sy ny « coquillettes » ary ny sira sy dipoavatra.
Alefa ao manarak’izay ny kotomila efa nosasana sy notetehana madinika. Aroharoana tsara dia asiana rano roa kaopy. Saromana ary avela hiketrika mandritra ny 20 minitra. Aroharoana matetika.
Rehefa vita izay dia arotsaka ao anaty « moule à gratin » ilay fangaro avy ao anaty vilany. Rarahana eo amboniny ny fromazy voakizy mba handrakotra azy tsara. Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 20 minitra. Rehefa masaka dia aroso mafana.

Lire la suite

Articles Similaires