• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Linfodrome
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikafika natoraly hampisinda ny tongotra mivonto

19/03/2025 15:56 © Moov.Mg

Misy fotoana ve mivonto ny tongotrao ? Ny tongotra no milanja ny vesatry ny vatantsika nefa matetika dia adinodinontsika ny mikarakara azy ireny. Vokatr’izany dia mety hisy tsy fahatomombanana maro mitranga eo aminy ka anisan’izany ny fivontosan’ny tongotra. Andeha ary ho fantarina ireo mety ho antony mampivonto ny tongotra sy ny fikafika hampisindana izany.

Ireo antony mety mampivonto ny tongotra

Maro ireo antony mety mahatonga ny tongotra mivonto. Matetika izy ireo dia tsy dia misy atahorana ary afaka ampisindana. Anisan’ireo antony ireny ny :
-Tsy fahampian’ny fanatanjahantena ;
-Ny fiandronan’ny rano (rétention d’eau) ;
-Tsy fahatomombanana eo amin’ny fikorian’ny rà ;
-Ratra toy ny folaka, difotra, nioritra ;
-Fihinana fanafody sasany ;
-Fihinanana sakafo be sira matetika.
Marihana nefa fa mety ho fambaran’aretina hafa, toy ny tosidrà avo, diabeta, « insuffisance cardiaque »… ny fivontosan’ny tongotra. Raha misy mampanahy dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo mba ahafantarana ny antony mahatonga ny tongotra mivonto.

Ireo fomba atao ampitoniana ny tongotra mivonto

Mba hampisinda ny tongotra mivonto, tsy vokatry ny aretina, dia ireto manaraka ireto ny fomba manampy azo atao :
Ampiakarina ambony ny tongotra hanamorana ny fikorianan’ny rà. Mora atao ary tena mandaitra ity torohevitra ity. Manatsara ny fikorian’ny rà, mitondra « oxygène » sy otrikaina mankany amin’ireo selan’ny tongotra ary mampihena ny « rétention d’eau » ao amin’ny sela ny fanaovana izany. Tsara kokoa raha mitsotra eo amin’ny tany, ny lamosina ambany ary ny tongotra ampiakarina miankina amin’ny rindrina mandritra ny 15 minitra.
Lomana rano ny tongotra hampihena ny « inflammation ». Manampy hanafainganana ny fahasitranan’ny tongotra mivonto ny fanaovana izany. Ankoatra izay dia sady manome « relaxation », manalefaka ny tongotra ary mandrisika ny fikorian’ny rà ihany koa izy io. Asiana rano mafana anaty koveta ary asiana sira 1 kaopy kely ao anatiny. Aroharohana ilay rano ho levona ilay sira. Alona ao mandritra ny 20 minitra ny tongotra avy eo kobanina. Azo ampiana « vinaigre de cidre » kely ihany koa io rano io mba ahazoana vokatra malaky kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires