Tsemboka be amin’ny alina : fantaro ny mikasika ny « sueur nocturne »
« Sueur nocturne » no hilazana ny hatsembohana be amin’ny alina rehefa matory iny. Soritr’aretina miseho matetika izy io ary maro no antony mety mahatonga azy : mety tsy hisy atahorana, nefa koa mety ilaina fanantonana mpitsabo. ‘Ndeha ho resahana eto ny antony mety mahatonga ny olona ho tsemboka be amin’ny alina, ny mety ho fiantraikan’izany sy ireo fandraisan-tanana azo atao.
Ahoana ny ahafantarana ny « sueur nocturne » ?
Toe-javatra ara-boajanahary eo amin’ny vatan’olombelona ny hatsembohana mba hamoahana ireo loto isan-karazany tsy ilaina. Amin’ny tontolo andro, rehefa mampiasa vatana sy rehefa mafana moa no tena hivoahan’izy io. Raha toa kosa ka tsemboka be tampoka ao anatin’ny torimaso amin’ny alina dia izay no atao hoe « sueur nocturne ». Mety mandalo ihany io hatsembohana be amin’ny alina io, nefa koa mety mitranga mandritra ny andro maromaro misesy. Matetika dia mifandray amin’ny faharatsiana na fikorontanan’ny torimaso izy io.
Ireo antony mety mahatonga ny olona ho tsemboka be amin’ny alina
Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny olona ho tsemboka be amin’ny alina na hoe manao « sueur nocturne », anisan’izany ny :
-« Apnée du sommeil », izany hoe mijanona tsy miaina tampoka ao anatin’ny torimaso amin’ny alina ;
-Nofy ratsy ;
-« Syndrome des jambes sans repos », izay miseho amin’ny fihetsiketsehan’ny tongotra miverimberina ao anatin’ny torimaso ;
-« Reflux gastro-œsophagiens » na ny hoe tsy mahalevon-kanina ;
-Fisian’ny aretina toy « tuberculose », gripa, VIH… ;
-Fikorontanan’ny hormonina, toy ny rehefa bevohoka, « ménopause », misy olan’ny « thyroïdes »… ;
-Fihinanana fanafody sasany, toy ny « antidépresseurs »… ;
-Homamiadana sasany toy ny « leucémie » ;
-Antony hafa, toy ny tebiteby, fahaketrahana, toaka, zava-mahadomelina, mafana loatra ao amin’ny toerana hatoriana…
Ireo mety ho fiantrakan’ny « sueur nocturne »
Mety manapa-tory tampoka ny hatsembohana be amin’ny alina. Izany dia mety mahatonga faharatsian’ny torimaso ary miteraka havizanana sy faharendremana mandritra ny tontolo andro. Ankoatra izay dia mety mampihena ny fifantohana sy « troubles de l’humeur » ihany koa.
Raha miverimberina matetika ny « sueur nocturne » dia mety hitoetra sy haharitra mandritra ny alina maro misesy. Ilaina arak’izany ny manantona mpitsabo mba hitadiavana ny antony mazava mahatonga io hatsembohana be amin’ny alina io sy hahazoana ny fandraisan-tanana mifanaraka amin’izany.