• Cours de change
  • 5021.37 AR
  • |
  • $4443.27 AR
Copyright Image : © Giallozafferano
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « gâteau aux pommes »

18/03/2025 13:52 © Moov.Mg

Vokatra izao ny paoma ka dia ahitana ireo karazany maro sy tsara kalitao eny an-tsena eny. Maro ireo nahandro matsiro azo atao amin’ny paoma. Anisan’ireo mora karakaraina ary ankafizin’ny maro ny « gâteau aux pommes ». Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana azy.

Ireo akora ilaina raha hanao « gâteau aux pommes »

-Paoma golden 1kg ;
-Atody 3 ;
-Lafarina 300g ;
-Levure chimique 16g ;
-Sira 1 tsongo ;
-Voasary makirana 1 ;
-Menaka 60g ;
-Yaourt 125g ;
-Sucre de canne 40g.

Ireo dingana amin’ny fanamboarana azy

Voasana ny paoma golden 1 kg. Atokana ny paoma 1 sy tapany ary ny ambiny tetehana atao en « dés ». Sasana ny voasary makirana ary kikisana ny hodina hangalana ny « zeste ». Rehefa azo ny « zeste » dia zaraina roa ny voasary makirana ary araraka eo ambonin’ireo paoma ny ranony mba tsy hampiova loko ireto farany.
Kapohana anaty lovia jobony atody 3. Alefa ao ny sucre de canne. Alefa manarak’izay ny sira sy ny « zeste de citron ». Kapohana miaraka amin’ny batteur électrique.
Rehefa lasa « mousseux » tsara ilay fangaro dia arotsaka tsikelikely ny menaka sady tohizana kapohana. Avy eo alefa indray ilay yaourt.
Afangaro anaty lovia jobo hafa ny lafarina sy ny levure chimique. Avy eo arotsaka tsikelikely ao anatin’ilay fangaro nokapohana teo sady tohizana kapohana ihany mandra-pahazoana fangaro mitambatra tsara (homogène).
Atsiaka ny paoma hialan’ny ranon’ny voasary makirana mihoatra avy eo arotsaka ao anatin’ilay paty. Afangaro tsara avy eo arotsaka ao anaty moule efa nosorana menaka sy nasiana papier sulfurisé.
Tetehana fisaka, toy ny rehefa manao tarte, ilay paoma 1 sy tapany ambiny. Alahatra eo ambon’ilay paty ao anaty moule mba handrakotra tsara azy manontolo. Avy eo rarahana sucre de canne.
Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 170°C mandritra ny 85 minitra. Tsindromina kely amin’ny lohan’antsy ilay mofomamy ka raha tsy misy manaraka intsony dia masaka izy izay. Raha mbola misy manaraka dia ampiana kely ny fotoana handrahoana azy.

Lire la suite

Articles Similaires