Fikorontanan’ny torimaso : ‘ndeha ho fantarina ny « narcolepsie»
Marihana isaky ny zoma faharoan’ny volana martsa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny torimaso. Miompana amin’ny fampahafantarana sy fanairana ny rehetra mikasika ireo karazana fikorontanan’ny torimaso sy ny manodidina izany. Anisan’ireo fikorontanan’ny torimaso mbola vitsy mahafantatra ny « narcolepsie ». Andeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra momba azy io.
Inona no atao hoe « narcolepsie» ?
Ny « narcolepsie » dia « trouble neurologique chronique » izay misy fiantraikany eo amin’ny torimaso. Ireo olona tratr’ity aretina ity dia mety mahatsiaro tena rendremana lava mandritra ny tontolo andro, tsy mahavoatohotra ny torimaso ivelan’ny fotoana fatoriana ary mety hanao « cataplexie ». Ity farany dia fahaverezana tampoky ny tanjaky ny hozatra (tonus musculaire).
Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony mety mahatonga ny « narcolepsie ». Na dia misy aza ireo marary manana vondrona fototarazo mitovy dia tsy voamarina hoe avy amin’ny fototarazo ity aretina ity. Misy kosa ireo anton-javatra heverina hitarika azy io, toy ny « réaction auto-immune » izay manimba « cellules nerveuses » ao amin’ny faritra iray ao amin’ny atidoha.
Satria ireo olona tratrin’ny « narcolepsie » dia matory be mandritra ny tontolo andro dia mazava ho azy fa lasa mety misy fiantraikany maro eo amin’ny andavanandrom-piainany ity aretina ity. Anisan’izany ny fanembatsembanana ny asa aman-draharaha, ny fitomboan’ny « risques » anaovana « accidents », toy ny lozam-pifamoivoizana…
Ahoana ny fomba fisehon’ny « narcolepsie» ?
Tsy voatery mitovy ny fomba fisehon’ny « narcolepsie» eo amin’ny olona tsirairay. Misy kosa nefa ireo fambara fahita :
-Rendremana te hatory sy tsy mety misinda, na dia natory tsara aza ny alina ;
-Matory tampoka sy tsy voatohitra amin’ny fotoana sy toerana rehetra ;
-« Cataplexie », izany hoe malemy tampoka ny hozatra ka mety mahatonga ilay olona tsy maharay tena tanteraka. Ny fihetseham-po mafy toy ny fihomehezana, hatezerana, fahatairana… moa no mitarika azy io ;
-« Paralysie du sommeil », izany hoe tsy mahavita mihetsika na miteny rehefa vao manomboka matory na vao mifoha iny ;
-« Hallucinations » rehefa ilay vao hatory na vao hifoha iny ;
-Fikorontanan’ny torimaso, toy ny hoe tapa-tory matetika, ratsy torimaso…
Fitsaboana sy fandraisan-tanana ny marary
Mbola tsy misy hatreto ny fitsaboana manasitrana tanteraka ny « narcolepsie ». Ny fandraisan-tanana misy dia ny fanomezana fanafody sy ny fanamboarana ny fomba fiainan’ilay marary mba hamerana ireo soritr’aretina.