• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Docteur Vianna Costil
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara ho fantatra mikasika ny mpitsabo « hépatologue »

11/03/2025 14:07 © Moov.Mg

Ny « hépatologue » no mpitsabo manokana ny aretin’ny aty, ny « voies biliaires », ny sakaraty ary ny « rate ». Ny ankamaroan’ireo « gastro-entérologues » dia manatanteraka ity fitsaboana manokana ity. Inona no asan’ny « hépatologue » ? Rahoviana na rehefa maninona no tokony hanantona ity mpitsabo manokana ity ?

Inona no atao hoe « hépatologue » ?

Araka ny voalaza teo dia fitsaboana manokana mikasika ny aretin’ny « aty », ny « voies biliaires », ny sakaraty ary ny « rate » ny « hépatologie ». « Hépatologue » no fiantsoana ny mpitsabo manokana misahana izany. Tafiditra ao anatin’ireo fitsaboana manokana ny « gastro-entérologie », izany hoe ny fitsaboana ny taova fandevonan-kanina, ny « hépatologie ». Noho io antony io dia afaka manatanteraka azy ny ankamaroan’ny « gastro-entérologues ».

Inona no asan’ny « hépatiologue » ?

Raha toa ka ampanaovan’ny mpitsabo fitiliana mifandray amin’ny « pathologie hépatobiliaire » ny marary iray dia ny « hépatologue » no mila hanantonany. Ity farany no :
-Mamaritra mazava ny aretina na hoe manao « diagnostic précis » ;
-Mikaroka ny antony mety mahatonga ilay aretina ;
-Mandroso ny fitsaboana misy sy mifanaraka amin’izany.
-Raha toa ka mila fandidiana ny fitsaboana dia « hépatologue » manana fahaizana manokana amin’ny fandidiana ny aty no manatanteraka izany.
Maro ireo karazana aretina mifandraika amin’ny « hépatologie » izay afaka tsaboan’ny « hépatologue », ka anisan’izany ny :
-« Hépatites virales A, B, C, D, E) izay karazana otrikaretina mety mitarika areti-mitaiza ny aty sy mihombo ho lasa « cirrhose » na homamiadana ;
-« Cirrhose » izay areti-mitaiza ny aretina miseho amin’ny fahapotehana tsikelikelin’ireo « cellules hépatiques » sy ny fiforonana « tissu cicatriciel » ;
-Homamiadan’ny aty ;
-« Maladies auto-immunes du foie » izay aretina vokatry ny famotehan’ny hery fiarovana ny « cellules hépatiques » ;
-Aretin’ny « voies biliaires » toy ireo aretina mahavoa ireo fantsona mitonga ny « bile du foie » mankany amin’ny tsinay ;
-« Pancréatites » na aretin’ny sakaraty.

Oviana no mila manantona « hépatologue » ?

Amin’ny maha fitsaboana manokana (spécialité médicale) ny « hépatologie » dia tsy ny aretina rehetra ao amin’ny vatana no tsaboina amin’izany. Mila manantona « hépatologue » ny marary iray raha toa ka misy soritr’aretina toy ny :
-« Jaunisse », izany hoe miloko mavo ny hoditra sy ny maso ;
-Manaintaina ao amin’ny kibo (douleurs abdominales) ;
-Rera-dava ;
-Mandoa sy maloiloy ;
-Misy « ascite » na fiandronana rano anatin’ny « abdomen » ;
-Tsy fahatomombanana amin’ny valin’ny fitiliana rà mikasika ny aty.
Matetika dia ny mpitsabo tsotra (médécin généraliste) no mandefa ny marary any amina manampahaizana manokana, arakaraka ny aretina sy ny valin'ny fitiliana.

Lire la suite

Articles Similaires