Fahaketrahana sa alahelo mandalo : ahoana ny hanavahana izany ?
Toe-javatra misy eo amin’ny fiainana ny alahelo sy ny fahadisoam-panantenana. Ara-dalàna noho izany ny fahatsapana kivy sy ketraka rehefa mandalo zava-tsarotra. Misy fotoana nefa mety mitarika tsy fahazoana aina mitoetra izany izay efa fambaran’ny fahaketrahana izany. Ahoana ary ny hanavahana ny halahelo mandalo sy ny fahaketrahana ?
Inona no atao hoe fahaketrahana na « dépression » ?
Fikorontanana eo amin’ny saina sy ny toe-po izay miseho amin’ny alalan’ny soritr’aretina maro ny fahaketrahana na ny « dépression ». Rehefa mivadika olana ara-tsaina lalina ny fahaketrahana dia miseho amin’ny atao hoe « épisode dépressif caractérisé ». Tsy afaka raisina ho alahelo sy hakiviana mandalo intsony izy io rehefa misy soritr’aretina miseho isan’andro na matetika be ao anatin’ny tapa-bolana. Raha izany no miseho dia lasa mety misy fiantraikany amin’ny fianana sy ny manodidina ilay marary ny fahaketrahana.
Ireo fambara ahafantarana ny fahaketrahana
Matetika dia afangarontsika amin’ny alahelo na ny hakiviana mandalo ny fahaketrahana ka lasa tsy voaray an-tanana ara-dalàna sy ara-potoana. Marihana nefa fa mety mitarika amin’ny famoizam-po sy ny famonoan-tena izy io rehefa tafiditra lalina amin’ilay marary. Ireto manaraka ireto ary ny santionany amin’ireo fambaran’ny fahaketrahana tokony hahamailo :
Alahelo lalina sy tsy mety misinda
Ny fambara voalohan’ny fahaketrahana dia ny fahatsapana alahelo lalina, mampijaly sy tsy fantatra mazava ny antony. Mety arahana tebiteby sy fahatsapana fahamoizam-po, toy ny hoe tsy misy mangirana mihintsy ny fiainana. Mazava ho azy fa samy mety mandalo fahakiviana avokoa isika rehetra nefa kosa misinda ihany izany. Eo amin’ny olona « dépressif » dia tsy mety afaka io alahelo io, eny na dia vao mifoha aza. Tsy afaky ny fanambatambazana na ny fitiavan’ny manodidina io alahelo lalina io fa fitsaboana ihany no manasitrana azy.
Tsy liana amin’inon’inona intsony ary tsy mahita fahafinaratana amin’ny fiainana
Rehefa malahelo na mandalo fotoan-tsarotra isika dia misy foana ny zavatra mahafinaritra eritreretina na visavisaina hankaherezana ny tena. Ny olona tratry ny fahaketrahana dia tsy manana faniriana n’inon’inona ary tsy miezaka akory ny hankahery ny tenany. Izany hoe tsy miandrandra zavatra tsara sy mety mahafaly azy izy ary tsy misy zavatra mahafinaritra azy mihintsy eo amin’ny fiainany, na ireo zavatra tiany taloha ary lasa tsy manintona azy intsony.
Reraka sy mihena ny hakingana manao zavatra
Fambara iray fahita eo amin’ny olona « dépressif » ny fahatsapana harerahana be nefa tsy nisy zavatra mamizaka natao. Mahatsiaro tena vizaka lava sy tsy ampy hery izy ka na maka aina sy matory ary dia tsy mety afaka izany. Io havizanana io dia lasa misy fiantraikany amin’ny fahafahany manao ny asa aman’andraikiny amin’ny andavanandro. Lasa mihena ny fahakingana ka lasa mandany fotoana ela rehefa manao zavatra efa fanao hatrizay. Ankoatra izay dia lasa sahirana mifantoka amin’ny zavatra atao.
Fikorontanan’ny torimaso
Miteraka fikorontanan’ny torimaso ny fahaketrahana. Mety ho lasa sarotra mahita tory, tapa-tory lava ilay marary. Lasa mifoha maraina be sy tsy miverina matory intsony. Etsy andaniny nefa mety misy ihany koa ireo olona « dépressifs » lasa vao maika te hatory lava. Na dia efa matory be azy nefa izy dia toa tsy ampy hanesorana ilay havizanana izany fa mahatsiaro dontodonto fotsiny ny saina.