Fiankinandoha amin’ny siramamy : loza manambana ho an’ny fahasalamana
Mbola vitsy no mahafantatra fa misy ny fiankinan-doha amin’ny siramamy. Akora iray misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana nefa ity farany. Ahoana ary no hanavahana ny fiankinandoha amin’ny siramamy sy ny fitiavana zavatra mamy ? Inona no atao hialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny siramamy ?
Inona no atao hoe fiankinandoha amin’ny siramamy ?
Ny atao hoe fiankinandoha amin’ny siramamy dia ny fahatsapana te hihinana zava-mamy mafy tsy voatohotra. Mety ho ara-batana na ara-tsaina ny fahatsapana io filàna io. Ny siramamy dia mampiasa ireo faritra ao amin’ny atidoha toy ny ataon’ny zava-mahadomelina ka mety mitarika fiankinandoha.
Tsy azo afangaro amin’ny fitiavana zavatra mamy moa ny fiankinandoha amin’ny siramamy. Raha tia zavatra mamy fotsiny ihany dia afaka mihinana voankazo na sakafo mamy tsy voahodina dia efa afa-po. Raha toa kosa ka miankin-doha amin’ny siramamy dia ireo zavatra mamy be sy ireo sakafo voahodina no tena tiana hoanina. Tsy mora afa-po fa te hihinana azy ireny foana ary tsy maha voatohatra ny saina raha tsy maintsy mihinana.
Ireo mety ho fiantraikan’ny fiankinandoha amin’ny siramamy
Mety misy vokadratsy maro eo amin’ny fahasalamana ny fiankinandoha amin’ny siramamy :
-Fitomboana lanja na hatavezana. Ny siramamy dia mitondra ny atao hoe « calories vides » izay mandrisika ny hatavezana ;
-Diabeta sokajy 2. Ny fihinanana siramamy be loatra dia mety mahatonga fikorontanana eo amin’ny « insuline » ka mampitombo ny « risques » hahavoan’ny diabeta sokajy2 ;
-Aretin’ny fo sy ny lalandrà. Mampiakatra ny tahan’ny « triglycérides » sy ny « cholestérol LDL » ny siramamy ka mety mitarika aretin’ny fo sy ny lalandrà ;
-Areti-nify. Sakafo mamelona sy mampitombo ny bakteria ao anatin’ny vava ny siramamy. Ireo bakteria ireo dia mamokatra « acides » izay manimba ny nify ;
-Havizanana. Mampiakatra avo be ny tahan’ny siramamy ao anaty rà na « glycémie » ny siramamy avy eo mampidina tampoka izany ka mahatonga fahatsapana havizanana ;
-Fikorontanan’ny toe-po. Mety manakorontanana ny fiasan’ny « neurotransmetteurs » ao amin’ny atidoha ny siramamy. Izany dia mitarika fiovaovana sy fikorontanan’ny toe-po, toy ny tebiteby sy ny rarintsaina.
Ahoana ny fomba atao hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny siramamy ?
Maro ireo fomba azo atao mba hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny siramamy. Anisan’izany ny :
-Fampihenana tsikelikely ny fihinanana siramamy. Tsy tsara hajanona tampoka be ny fihinanana siramamy eo amin’ny olona miankin-doha amin’izany satria mety hahatonga « symptômes de sevrage » ;
-Sakafo tsy voahodina no hoanina raha te hihinana zavatra mamy. Matetika tokoa mantsy dia manankarena siramamy (sucres ajoutées) izay tena mankarary ny sakafo voahodina ;
-Mihinana sakafo be fibra. Ny fibra dia mampiadanana ny fandevonan’ny vatana ny siramamy ka misoroka ny fiakarana sy ny fidinana tampoky ny « glycémie » ;
-Misotro rano betsaka. Ny rano dia manampy amin’ny fanesorana ireo « toxines » sy amin’ny fandrindrana ny tahan’ny siramamy anaty rà ;
-Manao fanatanjahantena matetika. Mandoro ireo « calories » na ireo tavy ny fanatanjahantena ary mandrindra ny « glycémie » ;
-Manantona mpitsabo. Ny mpitsabo na ny « nutritionniste » dia afaka manoro ny fomba fisakafoanana tsara arahana raha te hiala amin’ny fiankinan-doha amin’ny siramamy.