« Poulet de chair », efa maro ireo olona tsy mihinana azy ireny intsony
Miroborobo eny an-tsena eny ankehitriny ny « poulet de chair » na ny akoho fakana nofony. Maro ny ankohonana mividy azy ireny noho izy mora vidy kokoa raha oharina amin’ny akoho gasy sy ny hena. Ankoatra izay dia be nofony sy mora andrahoina ihany koa ity karazana akoho ity. Tsikaritra nefa fa mitombo ihany koa ireo olona tsy mihinana « poulet de chair » intsony. Inona no mety ho anton’izany ?
« Poulet de chair », halebiazina sy hatavezina haingana be
Amin’ny maha akoho fakana nofony ny « poulet de chair » dia ilaina ho lehibe sy matavy izy ireo vao afaka amidy. Mba ahatongavana amin’izany vokatra izany dia mampiasa karazana sakafo sy fanafody misy akora simika ny mpiompy mba hanalebiazana malaky ireo zanak’akoho. Noho izany dia « provande » manokana efa nasiana vitamina, oligo-éléments sy acides gras no fahanana ireo akoho mba hatratrarany ny lanja sy habe ilaina ao anatin’ny herinandro vitsy. Misy ihany koa ireo omena « hormones de croissance » mba hanafainganana ny fitombony. Mazava ho azy fa tsy mitombo ara-boajanahary toy ny akoho gasy noho izany ny akoho fakana nofony. Mijanona ao anatin’ny nofon’izy ireny ny ankamaroan’ireo akora simika nampidirina tao anatin’ny sakafony.
Fiompiana tsy mifanaraka amin’ny filan’ny fahasalaman’ny akoho
Biby fiompy mila mikiky tany, mivezivezy, miazakazaka, mikopakopaka elatra, milalao vovoka, maka aina… ny akoho. Tsy afaka misitraka ireo filàny ireo nefa ny « poulet de chair » noho izy ompiana amin’ny fomba indostrialy. Ny tanjon’ny mpiompy dia ny hahazoana akoho be nofo anatin’ny fotoana fohy. Matetika dia akoho aman-jatony maro no ompiana anaty toerana kely, maizimaizina ary indraindray tsy ampy rivotra. Mora iparitahan’ny aretina samihafa eo amin’ireo akoho io tontolo io. Mba hiarovana azy ireny dia misy ny vaksiny atao amin’izy ireo. Misy ihany koa etsy andaniny ny fanafody « antibiotiques » ampihinanana azy raha sendra misy aretina mandalo. Ireo fanafody ireo ihany koa dia mety hisy hijanona ao amin’ny nofon’ny akoho.
Ireo mety ho vokadratsin’ny fihinanana « poulet de chair » be loatra
Araka ireo voalaza ireo dia mijanona ao amin’ny nofon’ny ny ampahany amin’ireo akora simika natao tao amin’ny sakafony sy ireo fanafody natao taminy nandritra ny fiompiana azy. Araka ny voalazan’ny mpitsabo moa dia ny hoditr’ireo akoho fakana nofo ireo no tena matavy sy mitahiry ireo akora simika avy amin’ny « provande ». Maro arak’izany ireo mety ho vokadratsy azo avy amin’ny fihinanana matetika ny « poulet de chair » ka anisan’izany ny :
-Fihenan’ny hery fiarovana vokatr’ireo « antibiotiques » na « hormones de croissances » voatahiry ao amin’ny nofon’ny akoho ;
-Aretina toy ny « intoxications bactériennes » toy ny « salmonellose » ;
-Aretin’ny fo sy ny lalan-drà vokatry ny tavy sy menaka be avy amin’ny nofon’ny, indrindra ny hodiny ;
-Fiakaran’ny tahan’ny « cholestérol ».