• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Envie De Bien Manger
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « croquettes de patates douces »

05/03/2025 16:40 © Moov.Mg

Tsakitsaky iray tena matsiro nefa mbola vitsy mahafantatra eto amintsika ny « croquettes de patates douces ». Miavaka amin’ny tsiro somary mamy avy amin’ny vomanga moa ity karazana « croquettes » ity. Azo amidy atao fitadiavam-bola ity nahandro mora karakaraina sy tsy be mason-karena ity.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « croquettes de patates douces »

-Vomanga 1kg ;
-Tongolo 1 ;
-Atody 2 ;
-Lafarina 1 kaopy;
-Chapelure 1 kaopy ;
-Mena-boanjo 10sl ;
-Tongolo maitso ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Sasana dia andrahoina ny vomanga. Rehefa masaka tsara dia voasana avy eo potserina ho potika tsara.
Tetehana madinika kely ny tongolo sy ny tongolo maitso. Arotsaka ao anatin’ny vomanga nopotserina teo. Asiana sira sy dipoavatra. Arotsaka ao ihany koa ny atody 1.
Afangaro amin’ny tanana mba hifangaro tsara daholo ireo akora rehetra.
Asiana lafarina ny tanana avy eo volavolaina araka izay itiavana azy ny fangaro namboarina teo. Tsara raha tsy atao lehibe loatra mba ho mora masaka. Tsy atao kely loatra ihany koa nefa.
Hafanaina anaty lapoaly jobo na vilany saba ny menaka.
Atsoboka kely anaty lafarina ilay fangaro novolavolaina teo, avy eo atsoboka ao anatin’ny atody efa voakapoka tsara sy nasiana sira kely ary farany atsoboka ao anaty chapelure. Arotsaka endasina ao anatin’ny menaka mafana tsara. Jerijerena tsara tsy ho may.

Lire la suite

Articles Similaires