• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Cancerologie 06
Image
Fahasalamana&Sakafo

Homamiadana : ireo tsara fantatra mikasika ny « chimiothérapie »

05/03/2025 13:12 © Moov.Mg

Fomba fitsaboana ny homamiadana efa rentsika matetika ny « chimiothérapie ». Mahery vaika tokoa moa ity karazana fitsaboana ity ary matetika dia misy « effets secondaires » maro. Ankoatra izay dia tena lafo ny manao azy io eto amintsika. Ho an’ireo mbola tsy mahafantatra mazava ny atao hoe « chimiothérapie » dia resahana eto ireo andinindinina tsara hay mikasika azy io.

Inona ny atao hoe « chimiothérapie » ?

Misy karazany maro ireo fomba fitsaboana ny homamiadana ka anisan’izany « chimiothérapie ». Fomba fitsaboana mifantoka amin’ny fampiasana fanafody mahery vaika izy io mba hamongorana ireo « cellules cancéreuses » na hanakanana azy ireo tsy hihombo sy hiparitaka ao amin’ny vatana. Ireo fanafody ireo moa dia antsoina hoe « agents chimiothérapiques ». Mety afaka ampiasaina irery ny « chimiothérapie » hitsaboana ny homamiadana nefa koa afaka ampiarahana amin’ny fitsaboana hafa toy ny « radiothérapie », fandidiana…

Ireo karazana « chimiothérapie »

Tsy mitovy avokoa ny antony hanaovana ny « chimiothérapie » eo amin’ny mararin’ny homamiadana tsirairay. Matetika moa dia miankina amin’ny fahasarotan’ilay aretina (stade) ny karazan’ny « chimiothérapie » atao. Noho izany dia afaka atao « chimiothérapie » ny marary iray mba hanasitranana ny homamiadana na hoe hamongorana ireo « cellules cancéreuses ». Izay no atao hoe « chimiothérapie à visée curative ».
Raha toa kosa ka hitan’ireo mpitsabo fa tsy ho fongana na ho sitrana intsony homamiadana dia « chimiothérapie palliative » no atao. Izany hoe natao hampitoniana ireo soritr’aretin’ilay homamiadana ireo fanafody ampiasaina amin’ilay « chimiothérapie » mba tsy hijaly be loatra ilay marary. Mety afaka mampihena ny haben’ny homamiadana ihany koa izy io na manakana azy tsy hiparitaka nefa kosa tsy manasitrana tanteraka.

Ahoana ny fiasan’ny « chimiothérapie » ?

Mitombo sy miparitaka haingana be ireo « cellules » misy homamiadana raha oharina amin’ireo « cellules » salama ao amin’ny vatana. Ireo « cellules cancéreuses » ireo no vonon’ny « chimiothérapie » noho izy tsy mahavita manamboatra ny tenany samirery toy ny « cellules normales ».
Marihana nefa fa misy ihany koa ireo « cellules normales » mitombo haingana be, toy ireo hita ao amin’ny taovam-pandevonan-kanina sy ireo ao amin’ny fototry ny volo (follicules pileux). Mety ho simban’ny « chimiothérapie » miaraka amin’ireo « cellules cancéreuses » ihany koa izy ireo ka miteraka « effets secondaires » toy ny hoe mivalana, mandoa, mihintsana ny volo… Satria moa afaka manamboatra ny tenana ireo « cellules normales » ireo dia afaka ho azy ireo « effets secondaires » rehefa vita ny « chimiothérapie ».
Amin’ny ankamaroan’ireo karazana « chimiothérapie » dia mikoriana anatin’ny rà ireo fanafody ampiasaina amin’izany mba hahatongavan’ireto farany ao amin’ireo « cellules cancéreuses » hovonoina. Mety misy ihany koa ny hoe eo amin’ny faritra iray manokana ihany no hanaovana ny « chimiothérapie », izany hoe alefa mivantana eo amin’ilay faritra misy homamiadana ireo fanafody.

Ahoana ny fizotran’ny fitsaboana ?

Afaka atao amin’ny fomba samihafa ny fampidirana ny fanafody ampiasaina amin’ny « chimiothérapie » :
-Atsofoka mivantana eo amin’ny lalan-drà na hoe « par voie intraveineuse » ;
-Fanafody atelina na hoe « par voie orale » ;
-Atsindrona ao amin’ny hozatra na ao ambanin’ny hoditra na « par injection ».
-Amin’ny ankapobeny dia mizara ho « cycles » elanelan’ny fe-potoana fitsaboana sy fe-potoana fakana aina ny « chimiothérapie » mba ahafahan’ny vatana mahazo hery.

Ireo « effets secondaires » ny « chimiothérapie »

Miovaova miankina amin’ireo karazana fanafody ampiasaina sy ny toe-batan’ny tsirairay ireo « effets secondaires » ny « chimiothérapie ». Ny matetika fahita dia ny :
-Mandoa sy maloiloy ;
-Fihintsanan’ny volo;
-Harerahana ;
-Fitomboan’ny « risques » hahazoana « infections ».

Lire la suite

Articles Similaires