• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Magazine Thermal
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikoloana ny fo sy ny lalan-drà : ireo fahazaran-dratsy mila ialana

28/02/2025 11:46 © Moov.Mg

Mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana sy mampitondra takaitra maro ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà. Isan’ireo aretina mahafaty olona maro manerantany ihany koa moa izy ireo. Mba hikolokoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalan-drà dia andeha ho fantarina ireo fahazaran-dratsy tokony hajanona.

Fifohana sigara

Efa resahana matetika ireo vokadratsin’ny fifohana sigara eo amin’ny fahasalamana. Anisan’ireo fahazaran-dratsy mahatonga ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà moa izany. Ny sigara dia mandray anjara amin’ny fanentsenana ny lalan-drà ary mampitombo ny tosiky ny rà. Voalazan’ireo manam-pahaizana fa mihena antsasany ny risiky ny fahafatesana vokatry ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà rehefa mijanona tsy mifoka mandritra ny herintaona.

Tsy fampihetsiketsehana ny vatana

Mitana anjara lehibe eo amin’ny fikolokoloana ny fo sy ny lalan-drà ny fanaovana fanatanjahantena na ny fampihetsiketsehana ny vatana matetika. Isan’ireo antony lehibe mahatonga ny aretin’ny fo sy lalan-drà tokoa mantsy ny « sédentarité » na hoe tsy fanetseham-batana. Ny fanaovana fanazaran-tena 30 hatramin’ny 60 minitra isan’andro dia ampy hiarovana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalan-drà. Tsy voatery manao fanatanjahantena manokana fa ny dia tongotra dia efa mety.

Fihinanana sakafo tsy ara-pahasalamana

Mba hikolokoloana ny fahasalaman’ny fo dia mila misakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja isika. Ferana arak’izay azo atao ny sakafo be menaka, voahodina na misy akora simika. Ny voankazo sy ny legioma no atao betsaka rehefa misakafo noho izy ireo manankarena otrikaina miaro ny fo sy ny lalan-drà. Ankoatra izay dia mitahiry fibra ary manana fiasa « antioxydants » izy ireo ka manakana ny fahatsentsenan’ny lalan-drà ny legioma sy ny voankazo.
Tsy adinoina ny mihinana ireo sakafo « bons gras », toy ny « oméga 3 » izay hita anatin’ny menaka oliva, trondro matavy, zavoka… Raha azo atao dia sakafo nandrahoina tao an-trano hatrany no hanina. Atao antonony tsara ny sira sy ny siramamy ary ny menaka.

Ny tsy fahaizana mandamin-tsaina sy mifehy ny rarintsaina

Isan’ireo anton-javatra mahatonga ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà sarotra fehezina ny rarintsaina sy ny adin-tsaina. Ireto farany tokoa mantsy dia mety mitarika ny fiakaran’ny tosi-drà, ny fiakaran’ny tahan’ny « cholestérol » ary ny fifintinan’ny lalan-drà vaventy. Mba hisorohana izany àry dia mila alamina tsara ny saina. Fantarina ireo antony mahatonga ny adin-tsaina sy ny rarintsaina, ka miezaka mikaroka ny vahaolana hamahana ireo olana. Raha misy olana tsy afaka vahana dia miezaka manamboatra saina mba tsy hijaly be loatra. Ankoatra izay dia mila mitady ny fomba hampitoniana ny vatana sy ny saina, toy ny fialana voly, fanaovana fanatanjahantena, fiarahana amin’ny namana…

Fisotroana toaka be loatra

Ny fisotroana toaka be loatra dia mampitombo ny « risques » hampiakatra ny tosi-drà sy hahavoa ny « arythimie cardiaque ». Raha azo atao dia tsy misotro zava-pisotro misy alikaola mihintsy.

Lire la suite

Articles Similaires