• Cours de change
  • 5129.98 AR
  • |
  • $4421.64 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana « poulet chinois à la sauce aigre-douce »

27/02/2025 16:27 © Moov.Mg

Nahandro maro mpankafy eto amintsika ny nahandro sinoa na hoe « cuisine chinoise ». Isan’ny mampiavaka ny sakafo sinoa moa ny karazan-tsiro ao anatin’ny nahandro iray, toy ny mamy-masira-marikivy.

Ho an’ireo mankafy izany karazana sakafo izany dia atoro eto ny fanaovana « poulet chinois à la sauce aigre-douce » izay sady matsiro no mora atao.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « poulet chinois à la sauce aigre-douce »

-Nofon’akoha (blancs de poulet) 4 ;
-Poivron mena 1 ;
-Tongolo 1 ;
-Karaoty 1 ;
-Hasina tongolo 1 voatoto ;
-Sauce soja 2 sotro fihinanana ;
-Vinaigitra fotsy 4 sotro fihinanana ;
-Siramamy mena 3 sotro fihinanana ;
-Ketchup 2 sotro fihinanana ;
-Menaka handrahoana ;
-Fécule de maïs 1 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoivatra.

Ny fomba fikarakarana azy

-Tetehana araka ny habeny hitiavana azy ny nofon’akoho. Endasina atao somary mahazo loko amin’ny menaka kely.
-Afangaro anaty lovia jobo ny ketchup, sauce soja, vinaigitra, siramamy, tongolo gasy ary ny fécule de maïs. Asiana rano kely raha miraikidraikitra be loatra.
-Voasana ary tetehana manify lavalava ny karaoty. Tetehana lavalava ihany koa ny poivron mena. Tetehana madinika ny tongolo ka endasina miaraka mandritra ny 5 minitra.
-Arotsaka ao anatin’ny lapoaly misy ireo legioma ny nofon’akoho nendasina teo. Alefa ao ihany koa ilay fangaro tao anaty lovia jobo.
-Avela hiketrika eo ambony afo antonony mandritra ny 5 minitra.
-Aroso mafana miaraka amin’ny vary na « nouilles sautées ».

Lire la suite

Articles Similaires