• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Focus On Belgium
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Anosmie » na tsy fahenoana fofona : ‘ndeha ho resahana

27/02/2025 14:49 © Moov.Mg

Marihana androany 27 febroary ny andro maneran-tany ho an’ny « anosmie » na ny fahenoana fofona.

Araka ny voka-pikarohana britanika tamin’ny 2014 dia ny 5% ny vahoaka manerantany no tratry ny fahaverezan’ny fahenoana fofona na ny tsy fahenoana fofona hatrany am-bohoka. Mbola maro nefa no tsy mahafantatra ny momba ity olana ara-pahasalamana ity.

Inona no atao hoe « anosmie » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia ny tsy fahenoana fofona no atao hoe « anosmie ». Mety ho tsy fahenoana fofona efa hatrany am-bohokaizany, fa mety fahaverezan’ny fahenoana fofona izay nitranga noho ny anton-javatra maro ihany koa. Marina fa tsy voasokajy ho aretina sarotra ny « anosmie », nefa kosa mety hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny fiainan’ilay olona tratr’izany izy io. Marihana fa ity tsy fahenona fofona tanteraka ity dia mety handalo fotsiny ihany nefa koa maharitra.

Ireo antony mety mahatonga ny olona tsy haheno fofona

Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny olona tsy haheno fofona. Misy ireo efa tsy naheno fofona hatrany am-bohoka nohon’ny « malformations ». Misy kosa ireo lasa tsy mahare fofona intsony taty aoriana nohon’ny anton-javatra toy ny :
-Fahasimbana na tsy fahatomombanana eo amin’ny « nerf olfactif » na ny « muqueuse olfactive » taorian’ny « traumatisme crânien » ;
-Fahatsentsenan’ny orona vokatry ny aretina toy ny « rhinite allergique », « polypes nasaux », « sinusite chronique », « tumeur », « coronavirus » ;
-Aretina vokatry ny fapotehana tsikelikely ao amin’ny atidoha na « maladie neurodégénérative » ;
-Fisian’ny « polypes » ao anatin’ny orona izay manentsina azy ka manakana ny fofona tsy ho tonga any amin’ny « fente olfactives » ;
-Fiasana amin’ny toerana misy singa simika.

Azo tsaboina ve ny « anosmie » ?

Mbola tsy misy hatreto ny fitsaboana manokana ny « anosmie ». Miankina amin’ny antony mahatonga io tsy fahenoana fofona tanteraka io fandraisana an-tanana atao amin’ny marary. Raha toa ohatra ka vokatry ny aretina mandalo manentsina ny orona no mahatonga azy dia atao mievoka entona ny marary hampisinda ny « anosmie ». Ankoatra izay dia mety hisy ny fanafody omen’ny mpitsabo hanasitranana ny otrikaretina mahatonga azy io. Raha toa ka « tumeur » no antony mahatonga ny tsy fahenoana fofona eo amin’ny marary dia mety hampanaovina « radiothérapie » na koa didiana izy.

Lire la suite

Articles Similaires