Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny aretina lagaly
Aretina misy mandavan-taona ny lagaly. Mora mifindra tokoa izy io ka vetivety dia miparitaka raha toa ka tsy voafehy ara-potoana. Raha ny eto amintsika manokana dia mbola mamenatra ny tratry ny lagaly hany ka vitsy ireo marary manantona toeram-pitsaboana. Vao maika nefa mampiparitaka ny aretina ny tsy fitsaboana azy. Fa inona tokoa moa ny aretina lagaly ? Araho eto ireo tsara fantatra mikasika azy io.
Inona no atao hoe aretina lagaly ?
Aretina iray vokatry ny katsentsitra atao hoe « sarcopte » ny lagaly. Mandavaka « tunnel » eo amin’ny hoditra ny « sarcopte » vavy ary manatody ao. Foy ireo atodiny afaka 3 na 4 andro. Lehibe ireo katsentsitra ireo afaka 1 na 2 herinandro. Ny rora avoakany dia mahatonga « réaction » eo amin’ny hoditra izay mangidihidy be. Mora mifindra sy miitatra ny lagaly nefa kosa azo tsaboina tsara.
Misy karazany roa ny aretina lagaly :
-Ny voalohany dia ny « gale commune ». Izy io no tena fahita matetika. Vitsivitsy ireo « sarcoptes » eo amin’ny hoditra. Ny fifampikasohana matetika amin’ny olona voa no mampifindra azy, toy ny mpianakavy, mpiara mianatra…
-Ny karazany faharoa dia ny « gale profuse et hyperkératosique ». Be dia be ireo « sarcoptes » eo amin’ny hoditra ary mety hiparitaka eo amin’ny vatana iray manontolo. Mora mifindra be izy io ka ny beantitra sy ireo olona marefo ny hery fiarovana no tena mora tratra.
Ireo antony mety mahatonga ny lagaly
Katsentsitra kely tsy hita maso ny « sarcopte » mahatonga ny aretina lagaly. Ny anton-javatra lehibe mety hahazoana azy io ny fifampikasohana sy ny fifaneraserana matetika amin’ny olona voa. Noho izany dia mety hahazoana azy ireo toerana be olona mifanerasera toy ny any am-pianarana, ao amin’ny ankohonana… Marihana fa ao amin’ny olombelona irery ihany no hitoeran’ny « sarcopte ».
Ny olona samy olona ihany no mifamindra io aretina io arak’izany. Mety izany amin’ny alalan’ny fifampikasohana mivantana eo amin’ny vatana na koa amin’ny alalan’ny fitaovana fampiasan’ilay marary, toy ny labam-pandriana, servieta, akanjo… Satria moa tena mora mifindra ny lagaly dia mety fifampokasohana amin’ny marary indray mandeha fotsiny dia efa hahazoana azy io.
Ny fisehon’ny aretina
Miovaova araka ny olona ny fotoana fiotrehan’ny aretina lagaly ao amin’ny vatana. Mety izany ho andro maro na koa herinandro maro. Ny fahatsapana mangidihidy be eo amin’ny hoditra no isan’ny fambara lehiben’ity aretina ity. Anisan’ireo fambara hafa tokony handrisika hanantona mpitsabo ny hoe :
-Misy mangidihidy toy izany ihany koa ny olona manodidina na ny olona hafa ao amin’ny ankohonan’ilay olona ;
-Rehefa alina vao tena mihamafy ny hidihidy ary eo amin’ny faritra manokana toy ny eo anelanelan’ny rantsan-tanana, ny hato-tanana, ambany helika, manodidina ny nono (vehivavy), foitra, kibo, sandrin-tanana, ny filahiana, anatin’ny fitombenana…
-Tsy tratr’io hidihidy io ny tarehy sy ny lamosina. Mety hisy izany ihany nefa eo amin’ny zazakely tratry ny lagaly ka ny fela-tanana sy ny fela-tongotra ihany koa dia voa.
-Miendrika tsipika sy bontsibontsina kely ireo mangidihidy eo amin’ny hoditra. Eo amin’ny zaza sy ny ankizy izy ireo no tena betsaka.
Ny fitsaboana ny lagaly
Ny fanantonana mpitsabo irery ihany no fomba azo antoka handraisan-tanana ny aretina lagaly. Fanafody ahosotra amin’ny vatana manontolo no fitsaboana azy io. Miara-tsaboina daholo ny olona miray trano na tsy misy fambara aza ny hafa. Diovina tsara ny ao an-trano, ny lamba firakotra sy ny fitafiana. Sasana amin’ny rano mamay…Hidina ao anaty fonosana « sachet » tsy ho tafiditry ny rivotra mandritra ny tapa-bolana ny akanjo mora simba tsy mahazaka rano mafana mba ho faty ireo katsentsitra mety miraikitra eo aminy.