• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Ricardo Cuisine
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana mofomamy betiravy na « gâteau de betterave »

25/02/2025 16:36 © Moov.Mg

Legioma iray isany mitondra otrikaina maro ho an’ny fahasalamana ny betiravy. Mahazatra antsika ny mampiasa azy atao lasary na atao amin’ny « macédoine ». Fantatrao ve fa afaka hanamboarana mofomamy ihany koa ny betiravy ? Araho eto ary ny fomba fanaovana izany !

Ireo zavatra ilaina raha hanao mofomamy betiravy

Ho an’ny mofomamy
-Lafarina varim-bazaha na farine de blé 150g ;
-Betiravy 225g ;
-Menaka voanio fihinana 180ml ;
-Siramamy 180g ;
-Atody 2 ;
-Levure chimique ½ sotrokely ;
-Kanelina 1 sotrokely ;
-Sira 1 tsongo ;
Ho an’ny « glaçage »
-Fromage à la crème 225g ;
-Dibera 120g ;
-Sucre glace 100g ;
-Sira 1 tsongo.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro. Atao miparitaka ny hafanana ao anatiny. Fisahana papier sulfurisé ao anatin’ny moule.
Atao anaty passoire ny betiravy manta efa novoasana sy nokikisana mba hampiala ny ranony.
Kapohana amin’ny fouet anaty lovia jobo ny atody sy ny siramamy. Rehefa mitambatra tsara dia arotsaka ao ny menaka voanio sy ny betiravy notatavanina teo.
Maka lovia jobo iray hafa ary afangaro ao ny lafarina sy ny levure, ny sira ary ny kanelina. Avy eo arotsaka ao anatin’ilay fangaro nokapohana teo. Afangaro tsara mandra pahazoana paty mitambatra tsara.
Arotsaka ao anatin’ny moule io paty io ary andrahoina ao amin’ny lafaoro mandritra ny 30 minitra.
Miditra amin’ny fikarakarana ny « glaçage ». Kapohana miaraka ny fromage à la crème sy ny dibera mandrapahazoana fangaro malama tsara. Asiana sira sy sucre glace dia tohizana kapohana. Tokony mahazo endrika « crémeuse ».
Esorina tao anatin’ny moule ny mofomamy betiravy rehefa mangatsiaka tsara. Osorana ilay « glaçage » izy iray manontolo. Apetraka ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 3.

Lire la suite

Articles Similaires