• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Cler Amour Et Famille
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ankizy vaky feo : ireo tsara fantatra mikasik’izany

25/02/2025 13:58 © Moov.Mg

Rehefa miditra amin’ny taonan’ny fialana sakana ny ankizy lahy dia mandalo amin’ny fivakisan’ny feo na ilay ataontsika hoe « vaky feo ». Mandalo izany ihany koa ny ankizy vavy fa tsy miavaka be toy ny an’ny lahy kely izany. Mety ho sahirana na hahatsiaro menatra ny ankizy rehefa vaky feo. Ahoana ary ny afaka ataon’ny ray aman-dreny hanohanana ny zanany vaky feo ?

Inona no atao hoe vaky feo ?

Rehefa vaky feo ny ankizy dia midika izay fa hiova ny hamafy, ny hahavo ary ny « timbre » ny feony. Araka ny voalaza teo dia mandritra ny fialana sakana no mitranga io fahavakisan’ny feo io. Amin’io fotoana io tokoa mantsy dia mitombo ny « hormones sexuelles », toy ny « testostérone », ao amin’ny vatan’ny ankizy lahy. Mitondra fiovana ara-batana maro eo aminy izany, ka anisan’izany ny fahavakisan’ny feo. Mihalava sady miha matevina ny « cordes vocales » no mahatonga io fiovana eo amin’ny feon’ny ankizy lahy io.

Ankizy vaky feo : marary ve ao amin’ny tenda ?

Tsy tokony hisy hampitaintaina ny ankizy vaky feo. Tsy mankarary ny tenda na mampikohoka io fiovoan’ny feo io. Rehefa mampiasa ny « cordes vocales » kosa ilay ankizy dia somary sahirana kely fa tsy mandeha ho azy toy ny taloha intsony. Rehefa taitra amin’io fiovana io izy dia mety tsy hampiasa araka ny tokony ho izy ireo « cordes vocales ». Mety somary tereny izy ireo ka mahatonga ny feony ho farina na hampikohoka azy. Mety hampatahotra ny ankizy miala sakana ny fandalovana amin’ny fahavakisana feo nefa dinga ara-boajanahary eo amin’ny fahalebiazany izany.

Mila manantona mpitsabo ve raha tsy mety vaky feo ny ankizy miala sakana ?

Raha efa mihoatra ny 15 taona ny ankizy lahy nefa mbola tsy vaky feo dia mety ho fambaran’olana iray eo amin’ny fitomboana izany. Raha toa ka fambaran’ny fahataran’ny fialana sakana io tsy fahavakisam-peo eo aminy io dia mety hisy fambara hafa miseho miaraka amin’izany toy ny hoe tsy mitombo tsara, tsy miova ny taovam-pananahany, tsy mivoatra ara-dalàna ny sainy… Raha izany no mitranga dia mila entina mijery mpitsabo izy. Misy fotoana kosa nefa ny tsy fampiasana tsara ny feo no mety lasa sakana ara-tsaina tsy maha vaky feo ny ankizy. Mila mandeha mpitsabo ihany koa amin’izay fotoana izay mba ahafahany mahazo ny fandraisan-tanana sahaza.

Ahoana ny hanampiana ny ankizy vaky feo hanaiky ny feony vaovao ?

Raha toa ka lasa manelingelina na mahamenatra ny ankizy ny feony vaovao rehefa avy vaky feo dia mila halamina tsara ny sainy. Mbola miovaova hatrany moa ny feony mandritra io fotoana fahavakisan’ny feo io. Ao anatin’ny fehezanteny iray mety ho be feo izy dia mivadika ho kely feo tampoka. Matetika dia hisy hananiany sy hiomehy izy rehefa manao izany. Mba tsy hampalahelo na hahamenatra azy dia mila hazavaina tsara azy hoe zavatra ara-boajanahary lalovan’ny lehilahy rehetra ny fahavakisan’ny feo. Ampahafantarina azy ihany koa hoe mandalo ihany izany.

Lire la suite

Articles Similaires