Ny fomba fikarakarana « aubergines farcies à la viande »
Isan’ireo legioma vitsy mpankafy ny baranjely na ny « aubergine ». Entina amintsika eto ary ny fanaovana « aubergines farices à la viande » izay fomba fikarakarana ny baranjely amin’ny fomba miavaka sy matsiro kokoa. Araho eto ary ireo dingana tsotra amin’ny fanaovana azy.
Ireo zavatra ilaina raha hanao « aubergines farcies à la viande »
-Baranjely 4 ;
-Toton-kena 300g ;
-Tongolo gasy hasiny 5 ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Tongolo 1 ;
-Menaka ;
-Voatabia 3 ;
-Fromazy voakiky 250g.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Sasana tsara ny baranjely avy eo zaraina roa manaraka ny halavany. Rasarasaina amin’ny antsy ny nofon’ny baranjely ao anatiny. Tandremana tsara mba tsy ho simba ilay fonony. Tsy avela ho goaka ihany koa manjary mitriatra rehefa masahana. Atsofoka anaty lafaoro ny baranjely ary tondrahana menaka kely.
Sasana ny voatabia ary esorina ny vaoniny. Avy eo tetehana madinika atao efa-joro. Voasana ary tetehana madinika ny tongolo sy ny tongolo gasy.
Endasina mandritra ny 4 hatramin’ny 5 minitra ny toton-kena. Arotsaka ao ny tongolo sy ny tongolo gasy. Asiana sira sy dipoavatra ary avela hiketrika eo mandritra ny 5 minitra. Arotsaka manarak’izay ny voatabia voatetika. Aroharoana ifangaro ary avela hiketrika mandritra 10 minitra fanampiny. Rehefa vita izay dia bataina teo ambony afo.
Rehefa masaka ny baranjely dia esorina tao anaty lafaoro. Esorina moramora amin’ny sotro ny nofon’ny baranjely efa masaka. Tandremana mba tsy ho rovitra ny nofony.
Afangaro amin’ilay toton-kena ny nofon’ilay baranjely. Asesika anatin’ilay baranjely ny io « farce » io. Rarahana ny fromazy voakiky. Rehefa izay dia andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 30 minitra.