Ela velona sy salama : ireo fahazarana tsara ampiharina
Ahoana ny fomba atao mba ho ela velona sy salama ? Maro ireo fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana teo amin’ireo olona nahatratra 100 taona sy ny mihoatra. Ny fomba fiaina sy ireo fahazarana tsara nampiharina teo amin’ny fiainana andavandro no voalaza isan’ireo nanampy indrindra tamin’izany. Inona avy ary ireo fahazarana manampy mba hahalava andro iainana ?
Tsy mifoka sigara ary tsy misotro toaka be loatra mba ho ela velona
Ny fifohana sigara sy ny fisotroana toaka dia izan’ireo fahazarana lehibe manakana ny olona tsy ho lava andro anatin’ny fahasalamana. Raha ny sigara sy ny toaka manokana moa dia anton-javatra roa lehibe mety miteraka homamiadana karazany 3 samihafa izy ireo. Ankoatra izay, ny fiankinan-doha amin’izy ireo dia mety mitarika fahasarotana eo amin’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà sy areti-mitaiza maro hafa. Fahazarana mety manatsara ny fahasalamana amin’ny ankapobeny ary manampy amin’ny fanalavana ny andro iainana ny fampihenana ny sigara sy ny toaka na koa ny fialana amin’izy ireny tanteraka.
Fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy fitazomana lanja antonony
Manan-danja lehibe eo amin’ny fitandroana ny fahasalamana sy eo amin’ny halavan’ny andro iainana ny sakafo hoanina. Ny sakafo ny lafin-javatra voalohany mety hisy fiantraikany amin’ny lanjan’ny vatana. Maro nefa ireo vokam-pikarohana siantifika no mampiseho ny fifandraisan’ny haben’ny olona iray sy ny halavan’ny andro iainany. Mila tandremana tsara arak’izany manao matavy na mahia loatra mba hitazomana ny lanja ara-pahasalamana. Ny tavy dia mety mitarika aretina sy areti-mitaiza samihafa. Ankoatra izay, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja dia maha ela velona sy salama noho izy io manampy amin’ny fisorohana aretina maro. Ireo otrikaina sy mineraly entin’izy ireny dia mitondra ny hery sy hery fiarovana rehetra ilain’ny vatana mba ho tomady sy tsy mora andairan’ny aretina.
Fampihetsehana vatana matetika
Ny fampihetsehana vatana sy ny fanaovana fanatanjahantena matetika dia misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fahalavan’ny andro iainana sy ny fitandroana ny fahasalamana. Araky ny voalazan’ny vokam-pikarohana maro dia mampihena hatramin’ny iray ampahatelon’ireo « risques de mortalités » ny fanaovana fanatanjahantena matetika. Ny fampihetsiketseham-batana 30 minitra isan’andro fara fahakeliny dia ampy hitandrovana ny fahasalamana. Mampihena ny « risques » hahatonga aretin’ny fo sy ny lalandrà sy homamiadana ary mikolokolo ny « mobilité » ihany koa ny fanaovana izany. Tsy adinoina ny fiantraikany eo amin’ny fitazomana ny lanjan’ny vatana.
Fahampiana torimaso
Isan’ireo lafin-javatra miantoka ny fahalavana andro iainana ny torimaso. Ny fatoriana adiny 7 na adiny 8 ora isan-kalina dia manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny fahasalamana. Raha toa ka tsy ampy ny torimaso dia lasa mora tratry ny adin-tsaina ny olona iray. Izany dia mety mampiakatra ny « risques » ahatonga « pathologies » toy ny tosidrà avo. Ny tsy fahampiana torimaso ihany koa dia mety hampiova ny fiasan’ny hormonina sasany toy ny hormonina mandrindra ny fahazotoana homana ka mety hisy fiantraikany amin’ny lanjan’ilay olona.
Fifandraisana ara-tsosialy sy fialana voly matetika
Misy fiantraikany eo amin’ny toe-pahasalamana sy ny fahalavan’ny andro iainana ny kalitaon’ny fifandraisana ara-tsosialy. Ny fanana fifandraisana ara-tsosialy milamina sy mirindra dia mikolokolo ny fahasalaman’ny saina sy mitazona ny olona havitribitrika hatrany, indrindra rehefa miha antitra. Noho ireo antony ireo ihany koa no mila hananana fialamboly sy hanaovana izany matetika. Sady mampiasa ny vatana sy saina ny fanaovana fialamboly no mety manatsara ny fifandraisana ara-tsosialy. Manampy betsaka amin’ny fanalavana ny androm-piainana ao anatin’ny fahasalamana ihany koa izany.