• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Truc Mania
Image
Fahasalamana&Sakafo

Avy nitevika : ireo fikarakarana sy fitandremana azy tsy hanonotra

21/02/2025 14:56 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mampiferotr’aina rehefa avy mitevika ny fiandrasana azy ho sitrana. N’aiza n’aiza ny faritra notevehana na ny sofina, orona, vava, foitra dia mila karakaraina tsara izy io ratra kely io mba tsy hanonotra. Atoro eto àry ireo fikarakarana sy fitandremana atao rehefa avy nitevika mba hahamora sitrana azy.

Avy nitevika : diovina amin’ny « sérum physiologique » ny faritra notevehana

Mila diovina matetika ny faritra notevehana, izany hoe ilay lavaka kely misy ny kavina, mba hanamandina azy sy hanesorana ireo loto mety hipetaka eo aminy. « Sérum physiologique » no tena tsara hanadiovana azy io. Raha sendra misy « croûte », na tsiranoka lasa nivaingana, miforona eo amin’ilay ratra dia tsy esorina fa lemana amin’ilay « solution saline » mba halemy sy ho mora miala. Lemana amin’ny « sérum » ny « compresse » ary io no petapetahana moramora eo amin’ilay ratra mandritra ny 5 minitra. Atao in-2 na in-3 isan-kerinandro mandritra ny tapabolana avy nitevehana.

Ireo fihetsika sy fitandremana atao rehefa avy nitevika

Ankoatra ny fanadiovana tsara ny faritra avy notevehana dia misy ireo fihetsika sy fitandremana mila arahana mba hahamora sitrana ilay ratra :
-Sasana tsara ny tanana alohan’ny hanadiovana ny faritra notevehana ;
-Fadiana arak’izay azo atao ny mikitikitika, manetsika na manodikodina ny kavina, indrindra raha mbola tsy sitrana ny ratra ;
-Arovana tsara ny tevika mba tsy ho voadodoana na ho voarirotra ;
-Tsy hongotana ny « croûte » miforona eo amin’ny lavaka notevehana satria dingana iray anatin’ny fahasitranan’ilay ratra izany ;
-Tsy esorina ny kavina mandrapaha sitran’ny ratra satria mora hifotra ilay lavaka misy ny tevika. Raha izany no mitranga dia ho sarotra sy hanaintaina ny hametaka kavina eo aminy ;
-Rehefa matory dia tsy tsindrina ilay faritra misy ny tevika mandritra ny 6 volana farafahakeliny, na dia tsy marary intsony aza ilay ratra satria mety mbola tsy ho maina tsara izy io ;
-Miandry 7 na 10 andro aorian’ny nitevehana vao milomano ary rano madio azo antoka no hilomanosana.

Lire la suite

Articles Similaires