Fomba tsotra fikarakarana « gratin de légumes » matsiro
Anisan’ny karazana « gratin » matsiro sy mahasalama ny « gratin de légumes »? noho izy ahitana karazana legioma maro ao anatiny. Ho an’ireo manan-janaka tsy tia na tsy mazoto mihinana legioma moa dia fomba iray ahafahana mampihinana azy legioma samihafa ity nahandro ity. Araho àry ny fomba fikarakarana azy.
Ireo zavatra ilaina raha hanao « gratin de légumes »
-Legioma isan-karazany izay tiana (atao maro loko) 500g ;
-Fromazy voakiky 250mg ;
-Crème fraîche 250ml ;
-Atody 2 ;
-Dibera 50g ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Chapelure 100g.
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
-Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
-Sasana, voasana ary tetehana ny legioma. Atao mitovy ny habeny hitetehana azy.
-Hafanaina anaty vilany ny dibera ary endasina mandritra ny 5 minitra eo ireo legioma voatetika. Asiana sira sy dipoavatra. Afaka ampiana épices hafa ihany koa, araka izay itiavana azy.
-Kapohana miaraka anaty lovia jobo iray ny atody sy ny crème fraîche. Rehefa mifangaro tsara dia arotsaka ao anatin’ny vilany misy ireo legioma nendasina teo. Aroharoana tsara dia hataingina eo ambony afo antonony mandritra ny 5 minitra.
-Hosorana dibera ny anatiny sy ny sisin’ny moule à gratin. Arotsaka ao ilay fangaro nokarakaraina tao anaty vilany teo. Araraka eo amboniny ny fromazy voakiky. Araraka eo manarak’izay ny chapelure handrakotra azy.
-Andrahoina anaty lafaoro amin’ny hafanana 180°C mandritra ny 25 minitra ny « gratin de légumes ». Rehefa vita dia aroso mafana.