• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Bien Etre &Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalaman’ny vehivavy : ireo tsara fantatra mikasika ny mycose vaginale

18/02/2025 16:36 © Moov.Mg

Aretina iray mpahazo ny vehivavy ny mycose vaginale, na candidose vaginale. Vokatry ny « champignon » antsoina hoe « Candida albicans » moa izy io. Mitoetra ara-boajanahary ao amin’ny fivaviana io « champignon » io. Rehefa mirongatra be loatra nefa izy dia mety mahatonga soritr’aretina manelingelina sy tsy mampahazo aina maro.

Ireo fambaran’ny mycose vaginale

Miseho amin’ny alalan’ny fambara na soritr’aretina maro ny mycose vaginale. Tsy voatery mitovy moa ny fomba fisehony amin’ny vehivavy rehetra satria samy manana ny toe-batany ny tsirairay. Anisan’ireo fambaran’ny mycose vaginale matetika fahita ny hoe :
-Mangidihidy sy mavaivay eo amin’ny fivaviana sy ny ivelan’izany ;
-Misy « pertes » matevina, fotsifotsy, mitambaingambaingana mivoaka fa tsy mamofona ;
-Mivaramena sy mivonto eo amin’ny fivaviana ;
-Manaintaina rehefa miray ara-nofo na rehefa mipipy.

Ireo antony mety mahatonga ny mycose vaginale

Maro ireo antony sy anton-javatra mety mahatonga ny mycose vaginale ka anisan’izany ny :
Fikorontanan’ny « flore vaginale ». Matetika izany dia noho ny fihinanana antibiotiques, fampiasana fanabeazana aizana misy hormonina na ny fampiasana fanafody misy cortocoïdes ;
-Fitondrana vohoka ;
-Diabeta ;
-Falemen’ny hery fiarovana ;
-Fidiovana be loatra na tsy ara-dalàna ny maha vehivavy ;
-Fanaovana akanjo tery loatra (pataloha, short, silipo) na koa « synthétiques ».

Ny fomba fitsaboana azy

Mifantoka amin’ny fampiasana fanafody « antifongiques » ny fitsaboana ny mycose vaginale. Mety miendrika crèmes (ahosotra), ovules (asitrika) na koa comprimés (atelina) moa ireo karazana fanafody. Mazava ho azy fa ny mpitsabo irery ihany no afaka manamarina fa mycose vaginale tokoa ny mahazo ny vehivavy iray. Izy irery ihany koa no mamaritra ny karazana fanafody ampiasaina amin’ny fitsaboana.

Ireo fisorohana azo atao

Mba hisorohana ny mycose vaginale dia misy ireo torohevitra tsara ampiharina amin’ny andavanandro, toy ny :
-Fanadiovana ara-dalàna ny fivaviana. Tsy mampiasa « produits intimes » hisasana fa rano madio dia ampy. Tsy misikosikotra rehefa misasa ;
-Fanaovana akanjo sy atin’akanjo vita amin’ny « coton » sy antonona tsara ;
-Fifadiana arak’izay azo atao ny fanaovana akanjo tery loatra ;
-Fadiana ny manao akanjo sy atin’akanjo mandomando ;
-Kolokoloina amin’ny alalan’ny fihinanana yaourts sy « probiotiques » ny « flore vaginale » mba tsy hikorontana.

Lire la suite

Articles Similaires