Fomba tsotra fanaovana mofo gasy matsiro
Sakafo iray isan’ny ankafizin’ny maro ny mofo gasy. Na ireo vahiny tonga mitsidika antsika ary dia maro no mankafy ity mofomamy malagasy ity. Azo atao sakafo maraina na atao « goûter » izy ity. Azo hanaovana asa fitadiavam-bola ihany koa. Araho eto ary ny fomba tsotra fanaovana mofo gasy matsiro.
Ireo zavatra ilaina raha hanao mofo gasy
-Kobam-bary 1 kapoaka ;
-Lafarinina 1 kapoaka ;
-Levure 2 sotrokely ;
-Rano matimaty 1 vera ;
-Siramamy 4 sotro fihinanana ;
-Sira 1 tsongo.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Arotsaka ao anaty koveta kely na saladier ny rano matimaty sy ny levure. Aroharoana hifangaro. Alefa ao manarak’izay ny kobam-bary sy ny lafarinina ary ny sira. Aroharoana tsara mandrapahazoana fangaro madity. Rehefa vita izay dia saromana amin’ny papier film na amin’ny lamba mba ho azon’ny rivotra. Avela hilona eo mandritra ny adiny 1 na 2 ora eo ho eo. Rehefa tapitra io fotoana io dia arotsaka ny siramamy ary afangaro tsara ny paty (koba).
Miditra amin’ny fanendasana ny mofo gasy amin’izay. Mampiasa ilay lapoaly maro lavaka toy ireo fahita eny amin’ny mpivarotra mofo gasy sy ramanonaka. Hafanaina eo ambony afo ary ity lapoaly maro lavaka ity. Rarahana menaka sakafo kely ao amin’ireo lavaka tsirairay. Rehefa hita fa mafana ny menaka dia araraka ao anatiny ao ilay koba nokarakaraina teo. Tsy atao be loatra ny afo hanedasana azy. Rehefa mendy ny ao ambany dia avadika ny mofo. Aroso mafana.