• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Mutualistes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Androbe na « épilepsie » : ireo tsara fantatra mikasik’izany

10/02/2025 11:04 © Moov.Mg

Isaky ny alatsinainy faharoa ny volana febroary no hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny androbe na « épilepsie ». Anio 10 febroary no anamarihana izany ho an’ity taona ity. Aretina iray isany mbola mampatahotra ny maro eto amintsika ny androbe noho ny tsy fahafantarana mazava ny mikasik’azy ity.

Inona no atao hoe androbe na « épilepsie » ?

Areti-mitaiza iray mahavoa ny atidoha ny androbe na « épilepsie ». Miseho amin’ny alalan’ny krizy vokatry ny « hyperactivité » eo amin’ny vondrona « neurones » ao amin’ny atidoha ity aretina ity. Miseho tampoka ary matetika mandritra ny fotoana fohy ireo krizy ireo. Tsy afaka hamaritana hoe voan’ny androbe ny olona iray raha nanao krizy indray mandeha fotsiny ihany. Ny fiverimberenan’izany matetika no ahafahana mamaritra hoe « épileptique » ny olona iray.

Ahoana ny fisehon’ny androbe ?

Miseho amin’ny alalan’ny tsy fahatsiarovan-tena mahatonga fianjerana, fanintona, fipoitran’ny rora eo manodidina ny molotra ny krizin’ny androbe. Indraindray mety mandoa, mipipy na mikàkà am-pataloha ilay olona ary koa mety tsy hiaina vetivety. Mety misy ihany koa ireo soritr’aretina somary maivana kokoa toy ny « hallucinations », fikaikonan’ny hozatra, mangorintsina, mandinika zavatra sady tsy mihetsika ny maso, fihetsika miverimberina tsy misy antony…

Ireo antony mety mahatonga ny androbe

Maro ireo antony mety mahatonga ny androbe. Matetika dia tsy fantatra mazava ireo anton-javatra mety mitarika azy io. Anisan’ireo anton-javatra mahatonga ny androbe ny fototarazo, ny ratra ao amin’ny atidoha, ny fahatapahan’ny lalandrà, ny « tumeur » ao amin’ny loha, ny aretina toy ny « méningite », « encéphalite », ny « malformations » ny atidoha…

Fitsaboana ny androbe

Aretina azo tsaboina ny androbe. Ny fanantonana mpitsabo ihany no ahafahana manatanteraka ny fizahana ara-pahasalamana manamarina fa voan’ny androbe ny olona iray. Ny mpitsabo ihany koa no manome ny fanafody na ny fitsaboana sahaza izany. Tsy mandaitra arak’izany ny fanipazana zava-maitso eo amin’ny olona manao krizin’ny androbe.

Ireo fomba manampy hisorohana ny krizy

Azo atao ny misoroka ny krizin’ny androbe na mampihena ny « risques » hisehoan’izany eo amin’ireo olona tratry ny androbe. Anisan’izany ny :
-Fihinanana tsara ireo fanafody omen’ny mpitsabo sy ny fanajana tsara ny fatran’izany ;
-Fifadiana ny miari-tory ;
-Tsy fanaovana reraka loatra ;
-Tsy fisotroana toaka be loatra ;
-Fifadiana zava-mahadomelina, indrindra ireo « drogues dures » ;
-Fanaraha-maso ara-dalàna ny toe-pahasalamana.

Lire la suite

Articles Similaires