Fihinanana sira be loatra : Mampakatra tosidrà sady mamparefo ny fo
Mahasalama ny sira, raha hay ny mandanjalanja ny fatrany. Mitarika aretina maro mantsy ny fihinanana sira be loatra.
Mitazona ny rano ao amin'ny vatana ny sira. Misy fiantraikany tsara amin'ny tosidrà sy ny fiasan'ny atidoha ary ny fahasalaman'ny taolana ihany koa io akora io. Izany no mahatonga antsika toa mahatsiaro reraka izany rehefa tsy mihinan-tsira.
2g isan'andro
Raha ny fikarohan'ireo manam-pahaizana, 2 grama isan'andro ihany ny fatran-tsira tokony hanin'ny tsirairay. Mazava ho azy, matetika tsy voahaja io fatra io mba hampatsiro ny sakafo hanina. Maro ihany koa ireo sakafo matsiro be sira, na dia tsy ampiana sira mivantana aza, toy ny fromazy, ny charcuteries, ny chips, ny saosy isan-karazany sy ireo vokatra indostrialy samihafa.
Mazàna nefa dia mitarika aretina samihafa ny fihinanana sira be loatra. Anisan'izany ny aretin'ny fo sy ny fiakaran'ny tosidrà. Misy mihitsy aza ireo tapaka lalandrà satria mihenjana loatra ny lalandrà ka mora tapaka. Mety hitarika fivontosana ihany koa ny fihinanana sira be loatra, satria tazomin'ny vatana loatra ny rano. Tsy adino ny faharerahan'ny voa. Raha mahatsikaritra isika dia tsy avelan'ny dokotera mihinan-tsira mihitsy raha vao misy olana amin'ny tosidrà na mitsabo aretin'ny fo/ voa.
Raha mora fanina izany rehefa mafana iny, nefa nisakafo sy nisotro rano tsara, dia mila mihevitra sao be loatra ny sira hanina.
6g isan'andro
Tokony tsy hihoatra ny 6 grama isan'andro ny fatran-tsira hanina : iray sotrokely tsy feno be. Tsara izany raha manokana fotoana hikarakarana ny sakafo hanina, na dia tsakitsaky aza. Ahena na ajanona mihitsy ihany koa ny fihinanana vokatra indostrialy. Raha tena tsy mahafehy tena amin'ny fromazy sy ny charcuteries dia hanina amin'ny sakafo matsatsotsatso izany, ary tsy mihinana sakafo be sira intsony avy eo.
Mila mizatra mihinana sakafo tsy be sira mihitsy satria mahasoa ny fahasalamana izany. Raha tsapa fa efa antonony ny sira amin'ny sakafo dia tsy asiana sira mihitsy eo ambony latabatra mba tsy hanampy ireo tia sira ao an-trano. Tsy voatery hipoitra eo no ho eo ny vokadratsin'ny fihinanana sira be loatra, fa miha-ratsy hatrany ny toe-pahasalamana, indrindra rehefa mitombo ny taona.