Fahasalamana : ireo vokatsoa entin’ny orana
Ny orana no miantoka ny fahaveloman’ny zavamaniry sy ireo voly samihafa ilaintsika hivelomana. Izy io ihany koa moa no mampitombo ny rano mamantsy ny rano fisotro sy fampiasantsika amin’ny andavanandro. Ankoatra izay, mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalamana ihany koa ny orana.
Manatsara ny kalitaon’ny rivotra
Tsara kokoa ny kalitaon’ny rivotra iainana mandritra ny fotoana avy orana. Ny orana tokoa mantsy dia mitroka sy mampihintsana amin’ny tany ireo « particules fines » sy ireo « allergènes » mitsingevana eo amin’ny rivotra. Efa voamarin’ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana fa rehefa mitsahatra ny orana dia mihena ny tahan’ny « allergènes », vovoka sy loto samihafa entin’ny rivotra hiainanantsika. Mazava ho azy fa misy vokatsoa hoan’ny fahasalaman’ny taovam-pisefoantsika izany.
Misoroka ny hatsembohana be loatra rehefa manao fanatanjahantena
Manampy amin’ny fisorohana ny hatsembohana mandritra ny fanaovana fanatanjahantena, indrindra any amin’ny toerana mafana be, ny orana. Rehefa tsy avy ny orana sady mafana ny andro dia mety ho tsemboka be ny vatana rehefa manao fanatanjahantena. Mety mahatonga tsy fahampiana rano na « déshydratation » io fahatsembohana be loatra io, indrindra raha tsy misotro rano tsara hanonerana izany. Rehefa avy kosa nefa ny orana dia midina ho azy ny hafanana ary mihena manarak’izany ny hatsembohana rehefa manao fanatanjahantena.
Mampitony ny saina
Ny feo sy ny fofon’ny orana dia manana fiasa mampitony. Ny feon’ny filatsiky ny orana malefaka sy miverimberina dia mitondra fitoniana ho an’ny saina. Ny fahenoana ny orana avy rehefa ao an-trano dia manome fahatsapana « en sécurité ». Rehefa avy ny orana dia toy ny mihato kely ny fotoana hanaovana ny asa aman-draharaha mahazatra. Afaka manararaotra maka aina, mikarakara sy mikolokolo ny vatana… Mora mampahita tory ihany koa ny feon’ny orana amin’ny alina.