• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Qare
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fikafika natoraly hampitoniana ny kohoka

05/02/2025 16:13 © Moov.Mg

Soritr’aretina mpiseho rehefa voan’ny sery na gripa ny kohoka. Fihetsika natoraly ataon’ny vatana hanesorina ny rehoka manentsina ny taovam-pisefoana izy io. Mety ho maina na misy rehoka ny kohoka, ka miankina amin’izay ny fitsaboana ataon’ny mpitsabo. Misy ihany koa etsy andaniny ireo torohevitra natoraly manampy hampitoniana ny kohoka ka anisan’izany ireo manaraka ireto.

Ny tantely

Ny tantely dia akora natoraly efa fampiasa hatry ny ela noho izy manana fiasa « apaisant » na hoe mampitony. Tsara hanina rehefa alohan’ny hatory izy ity mba hampitoniana ny tenda sy hahamaivamaivana ny kohoka rehefa voan’ny sera na gripa. Afaka hanina amin’izao, atao amin’ny dite na amin’ny ronono mafana izy ity. Tsy azo omena ny zaza 1 taona no midina kosa nefa ny tantely noho izy mety misy bakteria mety hankarary.

Ny voasary makirana

Voankazo iray manankarena vitamina C sy manana fiasa « antiseptiques » ny voasary makirana. Manampy amin’ny fampitoniana ny kohoka ary manafaingana ny fanasitranana ny sery izy io noho izy mampitombo ny hery fiarovana. Rehefa mafy mantsy ny hery fiarovana dia mora ho an’ny vatana ny mamono ny viriosy mahatonga ny sery. Asiana ranona voasary makirana kely sy tantely anaty rano mafana ka io no sotroina rehefa maraina sy atoandro.

Ny dibera

Mbola vitsy mampiasa ity fikafika natoraly hampitoniana ny kohoka ity nefa dia tena mandaitra tokoa. Ny kohoka misy rehoka no tena tsara hampiasana azy ity. Afangaro ny dibera 1 sotrokely, tamenak’atody 1, tantely 1 sotrokely sy ny voasary makirana 1 sotrokely. Afanaina kely amin’ny « bain-marie » ity fangaro ity alohan’ny hinanana 1 sotro aminy rehefa alohan’ny hatory.

Ny Evoka

Fomba iray mandaitra sy efa fanao hatrizay ny evoka mba hampisinda ny sery sy gripa ary mba hampitoniana ny kohoka. Mampisokatra ny taovam-pisefoana tsentsin’ny rehoka moa izany. Ny hevoka kininim-potsy no isan’ny fampiasa indrindra. Raha tsy misy kininim-potsy dia afaka atao rano mangotraka fotsiny na rano mangotraka nasiana sira kely. Atao isan-kariva alohan’ny hatory izany.

Lire la suite

Articles Similaires