Ireo tsara fantatra mikasika ny homamiadan’ny hoditra
Anisan’ireo homamiadana mahazo olona maro maneran-tany homamiadan’ny hoditra na ny « cancer de la peau ». Mahatratra an-tapitrisany isan-taona ireo tranga voamarina. Ny fahasimban’ny selan’ny hoditra vokatry ny fitanianandro be loatra no isan’ny mampihombo ity aretina ity. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny homamiadan’ny hoditra.
Ireo karazana homamiadan’ny hoditra
Misy karazany 3 ny « cancer de la peau » na ny homamiadan’ny hoditra :
-Ny « carcinome basocellulaire (CBC) ». Izy io no homamiadan’ny hoditra mpitranga indrindra. Eo amin’ny « cellules basales » ny hoditra izy no miforona ary matetika dia miendrika fivontosana kely na ratra tsy mety sitrana. Tsy voatery mahafaty ny CBC, nefa kosa mety miparitaka ary mahatonga olana ara-pahasalamana lehibe raha tsy voatsabo ;
-Ny « carcinome spinocellulaire (CSC) ». Ity karazana homamiadan’ny hoditra ity dia miforona ao anatin’ireo « cellules squameuses » ny hoditra. Mety miendrika tasy mena miofaka, ratra na kambo kely mivoitra izy io. Matanjaka kokoa noho ny CBC izy ity ary mety miparitaka amin’ny faritra samihafa amin’ny vatana raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna ;
-Ny « mélanome ». Izy ity no homamiadan’ny hoditra sarotra indrindra. Ao anatin’ny « mélanocytes », izany hoe ireo sela mamokatra ny lokon’ny hoditra, izy io no miforona. Miseho toy ny tasy vaovao eo amin’ny hoditra na amin’ny fiovan’ny tasy efa nisy ny « mélanome ». Mety mihombo malaky be izy ity ary tonga any amin’ny taova hafa raha tsy hita sy voatsabo ara-potoana.
Ireo anton-javatra mety mahatonga ny homamiadan’ny hoditra
Maro ireo anton-javatra mety mampitombo ny « risques » hahavoa ny homamiadan’ny hoditra, anisan’izany ny :
-Fitaniana andro be loatra satria tratry ny « rayons UV » ny masoandro ;
-Nisy havana akaiky efa voan’ny homamiadan’ny hoditra na hoe efa voan’ity aretina ity taloha ;
-Fotsy fihodirana ;
-Volo natoraly miloko mena na mavo ;
-Fanana maso manga na maitso ;
-Be tandra be ;
-Marefo ny hery fiarovan’ny vatana.
Fisorohana sy fitsaboana ny homamiadan’ny hoditra
Ny fomba voalohany hisorohana ny homamiadan’ny hoditra dia ny famerana na ny fifadiana ny fijanonana amin’ny masoandro maharitra loatra. Raha tsy maintsy hitaninandro dia miaro tena tsara amin’ny fanaovana satroka, akanjo manarona ny rantsam-batana, fanaovana crème solaire… Miezaka mitady malomaloka eo anelanelan’ny amin’ny 10 ora maraina sy 4 ora hariva.
Mba hahamora ny fitsaboana ny homamiadan’ny hoditra dia mila hita mialoha ity aretina ity. Noho izany dia mila zahana tsara matetika ny hoditra sao misy ireo fambara voalaza teo ambony ireo. Raha misy izany dia manantona mpitsabo avy hatrany. Ny fitsaboana moa dia miankina amin’ny dingan’ilay aretina (stade) sy ny toe-pahasalaman’ilay marary. Anisan’ireo fitsaboana mety atao ny fandidiana, ny radiothérapie, ny chimiothérapie, ny immunothérapie sy ny thérapie photodynamique.