• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Passionsanté.Be
Image
Fahasalamana&Sakafo

Manadio sofina amin’ny « coton-tige » : mila fitandremana !

24/01/2025 10:56 © Moov.Mg

Ny « coton-tige » no fitaovana mandalo ao an-tsaina voalohany rehefa hanadio sofina. Tsy dia tsara nefa ny mampiasa azy io mba hitandrovana ny fahasalaman’ny sofina. Fa inona tokoa no mety ho vokadratsin’ny fanadiovana sofina amin’ny « coton-tige » ? Inona no afaka hanoloana azy ireny ?

Ireo mety ho vokadratsin’ny fanadiovana ny sofina amin’ny « coton-tige »

Ny « coton-tige » dia ampiasaina amin’ny fanesorana ny tain-tsofina. Marihana nefa fa ny tain-tsofina dia « sécrétion » voajanahary miaro ny « canal auditif » amin’ireo singa avy any ivelany. Mety hiendrika maloto ny tain-tsofina nefa dia tena ilaina amin’ny fiarovana ny sofina izy io. Miaro ny sofina amin’ny hamandoana be loatra, miaro ny « conduit auditif » tsy ho maina, manakana ny vovoka, loto sy bakteria tsy hiditra lalina anatin’ny sofina… Atosiky ny selan’ny hoditra mivoaka ho azy ivelan’ny sofina moa ny tain-tsofina rehefa mihetsika ny valanorano (mâchoires).
Rehefa manadio sofina amin’ny « coton-tige » nefa isika dia lasa voatosik’ity farany anatin’ny sofina indray ny tain-tsofina. Izany dia mety hiteraka « bouchon » ao anatin’ny « conduit » ka lasa mampihena ny fahenoan’ny sofina. Ankoatra izay dia mety hahatonga « infections » sy hamparefo ny « tympan » na koa handoaka izany ny « coton-tige » raha tsy voatandrina tsara. Ny fampiasana ny « coton-tige » dia mety manala tanteraka ny tain-tsofina ka lasa tsy voaaro ara-boajanahary araka ny tokony ho izy ny sofina.

Inona ary no azo asolo ny « coton-tige » hanadiovana ny sofina ?

Araka ny voalaza teo dia afaka manadio tena ny sofina fa tsy mila diovina be araka ny fiheverantsika hatramin’izay. Mety hanelingelina ny maso sy tsy hampahazo aina kosa nefa ny mahita na ny mahatsapa fa misy tain-tsofina miangona eo amin’ny ivelan’ny lava-tsofina. Mba hanesorana azy ireny ary dia ireo manaraka ireto no azo asolo ny « coton-tige » :
-Rano sy serveta madio. Izany hoe rehefa mandro na misasa iny dia kobanina moramora amin’ny rano ny eo ivelan’ny lava-tsofina sy eo amin’ny ravin-tsofina. Rehefa avy eo dia hamainina tsara amin’ny serveta madio ;
-Ankihikely sy mosoara taratasy. Mba hanesorana moramora ny tain-tsofina eo amin’ny lava-tsofina sy manodidina izany dia hodidinina mosoara taratasy ny ankihikely ary io no hanadiovana ny sofina.

Lire la suite

Articles Similaires