• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © 750G
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fanaovana horita natono na « poulpe grillé » malemy sy matsiro

22/01/2025 16:10 © Moov.Mg

Azo hanaovana nahandro isan-karazany ny horita na ny « poulpe ». Efa nentina teto ny fikarakarana salady horita ka ny fanaovana horita natono na hoe « poulpe grillé » indrindray no zaraina amintsika eto.

Ireo akora ilaina raha hanao horita natono

-Horita efa voadio 1kg ;
-Tongolo gasy ;
-Thym ;
-Menaka oliva 10 sl ;
-Voasary makira maitso 5 ;
-Voasary makirana mavo 2 ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Andrahoina ny horita. Rehefa manomboka somary malemy dia tetehana.
Atao anaty bol ny menaka oliva, ny tongolo gasy voakiky, ny thym, ny ranon’ny voasary makirana rehetra. Asiana sira sy dipoavatra avy eo aroharoana tsara hifangaro.
Hosorana sy vontosana io fangaro nokarakaraina teo io horita. Avy eo atao anaty lovia jobo. Avy eo rarahana ny ambon’ilay fangaro mba hilona tsara. Rakofana film alimentaire dia atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30 minitra.
Hafanaina ny fatana fanatonoana. Tsihifina ny horita avy eo hatono eo ambonin’ny fatana fanatonoana. Avela hiketrika kely mandritra ny 2 minitra dia avy eo avadika. Azo masahana mivantana eo ambony lapoaly ihany koa moa ity horita nokarakaraina teo ity.
Haroso mafana miaraka amin’ny salady na miaraka amin’ny « pommes de terre sautées ».

Lire la suite

Articles Similaires