Manevika na "point de côté" : ireo tsara fantatra mikasika izany
Misy manindrona be tampoka ve eo amin’ny andilana, indrindra rehefa mampiasa vatana be loatra ? Izay no atao hoe manevika. Fanaintainana mateti-pitranga eo amin’ireo mpanao fanatanjahantena izy ity ary ireo mbola vao mizatra no tena tratr’izany. Fa inona tokoa no mahatonga ny manevika ? Ahoana ny atao hampitoniana sy hisorohana izany ?
Ireo antony mety mampanevika
Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ny antony mazava mety mampanevika na ny « point de côté ». Anisan’ireo lafin-javatra voalaza fa mety mahatonga izany ny :
-Tsy fiainana tsara (mauvaise respiration). Raha miaina malaky loatra na mikorontana dia mety mahatonga fiangonana rivotra maloto (gaz) ao anaty tsinay izay miteraka fanaintainana ;
-Ratra madinika kely amin’ny hozatra. Raha misy rovitra na ratra bitika kely eo amin’ny hozatra ao amin’ny kibo dia mety mahatonga ireo fanaintainana ;
-Fikorontanan’ny fikorian’ny rà. Rehefa tsy mikoriana tsara ny rà any amin’ny hozatra dia mety mampanevika.
Ireo fomba atao hampitoniana ny manevika
Mba hampitoniana ny fanaintainana rehefa manevika dia :
-Ahena na atsahatra kely ny hamafin’ny fampiasana vatana na ny fanatanjahantena atao ;
-Mihaina milamina sy miadana tsara mba hampivoaka ireo rivotra maloto sy hampitoniana ny hozatra ;
-Orina moramora eo amin’ilay faritra marary mba hampitoniana izany.
Tsara hatrany ny manantona mpitsabo raha toa ka miverimberina na manaintaina loatra ny manevika sao sanatria misy tsy fahatomombanana ara-pahasalamana mahatonga ilay fanaintainana.
Ahoana ny atao hisorohana ny manevika ?
Fanaintainana iray tsy dia misy atahorana sy mora afaka ihany matetika ny manevika na ny « point de côté ». Azo atao ihany misoroka azy io amin’ny alalan’ny :
-Fanaovana fanafanam-batana ara-dalàna alohan’ny hanaovana fanatanjahantena. Izany dia mba hanomanana tsara ny hozatra sy hisorohana ny mety ho ratra mandritra ny fampiasana vatana mafy ;
-Fisotroana rano tsara mba hisorohana ny « crampes » sy ny fanaintainan’ny hozatra ;
-Fihinanana sakafo maivamaivana alohan’ny fanaovana fanatanjahantena. Ny sakafo mavesatra loatra tokoa mantsy dia sarotra levonina ka mety mampanevika ;
-Fehezina tsara ny fomba fiaina (respiration) mandritra ny fanaovana fanatanjahantena.