• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ahoana no atao raha ambany loatra ny tosidrà ?

17/01/2025 11:48 © Moov.Mg

Toy ny tosidrà avo loatra dia mila tandremana ihany koa ny tosidrà ambany loatra. Ny fahatsapana fanina, vizaka sy ireo soritr’aretina samihafa aterak’izany dia tena tsy mampahazo aina tokoa. Ny fanantonana mpitsabo hatrany no vahaolana azo antoka indrindra hitsaboana ny olana eo amin’ny tosidrà. Misy ihany koa ireo torohevitra afaka ampiharina miaraka amin’ny fitsaboana hampiakarana ny tosidrà ambany loatra.

Misotro rano tsara hisorohana ny fidinan’ny tosidrà

Ny rano no isan’ireo singa lehibe mandrafitra ny vatantsika. Ilaina tokoa izy io hampizotra tsara ny fikorian’ny rà, hitazomana ny tosiky ny rà ho ara-dalàna sy hampitombo ny rà ao amin’ny vatana. Rehefa tsy misotro rano tsara dia mety hahatonga fidinan’ny tosidrà ho ambany be loatra mihoatra ny tokony ho izy. Noho izany, tokony misotro rano 1,5 litatra isan’andro fara fahakeliny. Afaka manampy ny fanomezana rano ny vatana ihany koa ny fisotroana dite sy ny fihinanana lasopy.

Mihinana sira ampiakarana ny tosidrà

Ny sira dia « électrolyte » iray lehibe afaka manampy amin’ny fitazomana ny tosiky ny rà tsy hiovaova sy ho « normale ». Ho an’ireo midina be loatra ny tosidrà dia mety ilaina ny manampy sira kely ny sakafo mba hampiakarana ny tosidrà. Marihana moa fa ny sakafo misimisy sira dia mety mahatonga « rétention d’eau ». Izany dia mety mampitombo ny rà sy mampijanona ny fihenan’ny tosidrà. Mila mitandrina kosa nefa satria raha lasa be loatra ny sira hoanina dia mety hiteraka olana ara-pahasalamana. Tsara arak’izany raha manontany ny hevitry ny mpitsabo vao mampihatra ity torohevitra ity.

Mihinanana sakafo manankarena vitamina B12

Mandray anjara lehibe amin’ny famokarana « globules rouges » ny vitamina B12. Ireo « globules rouges » ireo moa no mitondra ny « oxygène » ao anatin’ny rà manerana ny vatantsika. Ankoatra izay dia manatsara ny fikainkonan’ny lalandrà sy ny fandrindrana ny tosidrà ihany koa izy ireo. Raha tsy ampy ny fihinanana sakafo misy vitamina B12 dia mety hampanao « anémie » na hoe tsy ampy rà izay mitarika fidinan’ny tosidrà. Anisan’ireo sakafo be vitamina B12 tsara hoanina ny taovan-kena, ny trondro matavy toy ny sardines, saumon…, ny atody, ny ronono, ny fromazy, ny hena…

Lire la suite

Articles Similaires