• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Deavita.Fr
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Gueule de bois » na makafoka : fisorohana sy fampitoniana izany

31/12/2024 11:56 © Moov.Mg

Ny atao hoe « gueule de bois » na makafoka dia ilay fahatsapana tsy mahazo aina, mararirary, malemilemy… ny ampitson’ny fisotroana toaka be loatra. Rehefa fotoan’ny fety toy izao dia maro ireo mety ho ampijalian’io makafoka io. Araho eto ary ireo torohevitra manampy hisorohana sy hampitoniana ny « gueule de bois ».

Sorohana ny « déshydratation » alohan’ny hisotroana

Ny « déshydratation » dia isan’ireo lafin-javatra mahatonga sy mahamafy ny « gueule de bois » satria ny toaka dia mampanary rano sy « sels minéraux » betsaka ny vatana. Mba hisorohana ny fiatrankan’io « déshydratation » io ary dia mila misotro rano betsaka alohan’ny hisotroana toaka. Ankoatra izay dia mila manao voky tsara ihany koa mba hiarovana ny vavony. Sakafo voalanjalanja ary manankarena « glucides » sy « graisses saines » no hoanina.

Mandritra ny fisotroana toaka dia efa ferana ireo mety ho fiantraikany ratsy

Anisan’ny fomba hisorohana ny makafoka ny famerana sahady ny fiantraika ratsin’ny toaka mandritra ny fisotroana izany. Mazava ho azy fa ny mahomby indrindra dia ny famerana ny fatran’ny toaka sotroana. Manampy ihany koa ny hoe fandimbiasana ny rano sy ny toaka eo am-pisotroana mba hanonerana ny tsy fahampian-drano. Tandremana ihany koa etsy andaniny ny manafangaro toaka isan-karazany. Izany hoe karazana toaka iray hatrany no sotroina fa tsy miovaova.

Fampitoniana ny vatana aorian’ny fisotroana toaka

Rehefa tapitra ny fety sy ny fisotroana toaka dia mila ampitoniana ny vatana mba hanalefahana ny hamamoana sy ny fahatsapana makafoka ny ampitso. Ilaina ary ny misotro rano betsaka misy « électrolytes » toy ny SRO mba hanonerana ny « hydration » sy hampiverina amin’ny laoniny ny tahan’ny mineraly ao amin’ny vatana. Mihinana sakafo maivamaivana toy ny vary, ny akondro, ny « pain grillé » noho izy ireo mora levonina sy mitondra « glucides » mba hampiakarana ny siramamy anatin’ny rà. Tsy adinoina ny matory mba ahafahan’ny vatana maka aina sy mandevona ny toaka ao anatiny.

Ireo fikafika natoraly hampitoniana ny makafoka

Rehefa mifoha maraina dia mety mahatsiaro maloiloy vokatr’ilay makafoka. Mba hampitoniana izany dia afaka misotro dite sakamalaho na mihinana sakamalaho manta. Raha mahatsiaro vizaka sy malemilemy dia misotr dite tantely sy voasary makirana matimaty. Manampy betsaka hanonerana ny tsy fahampian-drano ihany koa ny fisotroana ranona voanio noho izy manankarena « électrolytes ».
Marihana moa fa tsy afaka misoroka na manala tanteraka ny fahatsapana makafoka aorian’ny fisotroana toaka be loatra ireo torohevitra natoro ireo. Ny vahaolana tena mahomby dia ny famerana ny fatran’ny toaka sotroina sy ny fianarana misotro miadana ary am-pahendrena.

Lire la suite

Articles Similaires